• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Version Femina
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana dite « Chaï » ao an-trano

07/11/2023 17:09 © Moov.Mg

Anisan’ny karazana dite malaza indrindra maneran-tany ny dite « Chaï ». Avy any « Inde » moa no nipoiran’ity karazana dite ity ary maro ny mankafy azy. Mora atao ary mora hita ihany koa ny akora fanamboarana azy. Araho ary.

Zavatra ilaina raha hanao dite « Chaï » ho an’olona 2

-Ronono manta 2 kaopy ;
-Rano 2 kaopy ;
-dite raviny « thé noir Taf » 2 sotro fihinanana ;
-« cardamome » voany 4 ;
-ronono mandry amin'ny boaty 100gr.

Fomba fikarakarana azy

Atao ambony afo ny ronono 2 kaopy. Arotsaka ao ny rano 2 kaopy. Arotsaka manarak’izay ny voany « cardamome » 4. Alefa ao ny « thé noir Taf » 2 sotro fihinanana.
Rehefa manomboka mangotraka dia haroina amin'izay mba tsy handroatra hivoaka ny vilany. Rehefa miova loko afaka 10 minitra eo ho eo dia arotsaka ny ronono mandry mamy ary avela hiketrika kely dia vita.Tsihifina ny faikany dia aroso mafana.

Lire la suite

Articles Similaires