• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Centre Dentaire Mont Royal
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikolokoloana ny nifin’ny ankizy : ny sakafo fadiana sy tsara hoanina

07/11/2023 16:25 © Moov.Mg

Dieny mbola kely ny ankizy dia mila kolokoloana ny nifin’izy ireo. Ankoatra ny fiborosiana ny nify matetika dia miaro amin’ny fahasimban’izy ireny ihany koa ny fitandremana ny sakafo hoanina. ‘Ndeha ary ho resahana ny sakafo tokony fadiana sy ireo tsara hoaninin’ny ankizy ho fikolokoloana ny nifin’izy ireo.

Ireo sakafo manimba nify ka tsy tsara hoanin’ny ankizy

Alohan’ny hiresahana ireo sakafo manimba ny nifin’ny ankizy dia tsara ny mampahafantatra hoe misy karazany 2 ny « bactéries » ao anatin'ny vava. Ny voalohany dia ireo atao hoe « mangeuses lentes » izay mihinana ny « sucres complexes » sy ny « fibres », izany hoe « bactéries » tsara. Ny faharoa dia ny « mangeuses rapides » izay mihinana ny « carbohydrates simples » sy mamokatra asidra izay manala ny kalsioma amin'ny nify ka mety hahatonga « caries » na fahasimban’ny nify. Anisan’ireo karazana sakafo mitarika ny « bactéries mangeuses rapides » ka tsy tokony ho ferana ny fihinanan’ny ankizy azy ny :
vatomamy rehetra ;
-zava-pisotro mamy toy ny ranom-boankazo be siramamy sady tsy mitondra fibres, ny zava-pisotro misy « gaz » (boissons gazeuses) ;
-Ny sakafo anaty boaty sy « pots » toy ny « sardine » amin'ny boaty ohatra, « biscuits », « céréales » varotana amin'ny boaty...
-Ny siramamy amin'ny ankapobeny, fa ny ankabeazan'ny voankazo mamy dia tsy maninona satria mitondra fibres sy hotrikaina ;
-Ny sakafo malemilemy toa ny « compotes » na « confitures » noho izy ireny miraikitra ao am-bava, aleo sakafo mila tsakoana ;
-Izay vokatra avy any ivelany ka misy katsaka satria tsy natoraly intsony ny katsaka ampiasaina any an-dafy.

Ireo sakafo tsara hoan’ny nify ka tokony hoanin’ny ankizy

Ny sakafo be otrikaina sy ireo avy amin’ny vokatra natoraly no tsara ho an’ny ankizy mba hisorohana ny areti-nify. Anisan’izany ny :
-Sakafo tsy mialin'andro ;
-Jabora avy amin'ny biby sy hena tsara kalitao toy ny dibera, atodim-borona, ronono velona tsy mitapoka, fromazy, « yaourt maison »…
-Trondro sy hazan-dranomasina ;
-Sakafo be vitamina sy « fibres » toy ny legioma sy voankazo.

Lire la suite

Articles Similaires