• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Recette-Cuisine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny kokombra na « concombre »

07/11/2023 14:44 © Moov.Mg

Isan’ny legioma mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny kokombra. Azo atao sakafo, anamboarana zava-pisotro manadio ny ao anaty na ihany koa ahositra amin’ny hoditra ity farany. Fa inona tokoa ary ireo vokatsoa azo avy amin’ny kokombra ?

Ireo vokatsoa entin’ny fihinanana kokombra

Maro ireo vokatsoa eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihinanana kokombra. Anisan’izany ny :
-Fanomezana rano betsaka ho an’ny vatana. Ny 95% ny kokombra tokoa mantsy dia rano avokoa ka rariny raha mitondra rano ao anatin’ny vatana ny fihinana izany ;
-Fandaminana ny tosidrà sy ny « cholestérol » no izy mitahiry singa manosika ny sarakaty hamokatra “insuline” sy “sterols”, ary « potassium » sy « magnesium ». Ireo singa ireo dia manatsara ny tosidrà ary manampy amin’ny fanesorana ny « cholestérol » ratsy ao amin’ny vatana ;
-Fampitoniana ny aretina goty sy ny « arthrose ». Ahitana « silica », kalsioma, « magnésium », « fotale », « potassium » ary vitamina A, B1, B6, C, D ao amin’ny konkombra. Ireo rehetra ireo dia mampidina ny tahan’ny “acide urique” mampihombo ireo aretina voalaza ireo ;
-Fanamorana ny fandevonan-kanina ary mampihena. Ankoatra ny rano betsaka hita ao amin’ny kokombra dia fantatra ihany koa fa mitahiry « fibres » betsaka ity karazana legioma ity. Noho izany dia manampy betsaka amin’ny fampihenana vatana ary manamora ny fandevonan-kanina izy.

Ireo vokatsoa azo amin’ny fampiasana ny kokombra

Ankoatra ny maha legioma azy dia azo ampiasaina ho akora fikarakarana ny vatana ihany koa ny kokombra. Maro ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana azy, toy ny :
-Fampitoniana ny hoditra rehefa main’ny masoandro. Raha diso main’ny masoandro loatra ny hoditra dia asiana silaka kokombra mivaofy mba hampitony azy ;
-Fikarakarana ny maso raha bongo. Silahana manify ny kokombra voavaofy ary apetaka eo amin’ny maso bongo. Hisinda vetivety izany rehefa avela mijanona elaela eo ny kokombra ;
-Fikolokoloana ny volo mitera-menaka be loatra (cheveux gras). Noho izy manankarena vitamine A sy « oligoéléments » dia mandamina nyfamokarana « sébum » amin’ny volo ny kokombra. Potehina ary atao « masque » amin’ny volo ity farany mba hanalana ny menaka be manentsina ny hodi-doha.

Lire la suite

Articles Similaires