• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Marocaine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « beignets au sucre »

06/11/2023 17:10 © Moov.Mg

Karazana « goûter » azo atao ho an’ny ankizy ary mora atao ny « beignets au sucre ». Azo atao arak’izay tiana ny endrika anaovana azy ka amin’ny endrika « donuts » no entina eto anio. Araho ary ny fomba fikarakarana.

Ireo zavatra ilaina

-Atody 2 ;
-« Levure boulangère » 10g ;
-Siramamy 60g ;
-Dibera 60g ;
-Ronono 250g ;
-Lafarina 500g ;
-Sira.

Ny fomba fikarakarana

Ampangotrahana miaraka ny ronono sy ny dibera ary avela hangatsiaka. Arotsaka anaty « batteuse » ary atao ao miaraka amin’ireo akora rehetra. Kapohana mandritra ny 20 minitra. Rehefa vita izay dia tokony hahazo paty malama sy mitambatra tsara.
Avela hilona mandritra ny adiny 1 ora eo ny paty avy eo saromana lamba mba tsy ho maina. Tokony hitombo hibontsina mandritra izay.
Rehefa vita dia apetraka eo ambony latabatra ary fisahana amin’ny « rouleau à pâtisserie ». Zarazaraina amin’ny « emporte pièce » mba hahazo izay endrika tadiavina. Alahatra eo ambony « papier cuisson » tsirairay mba tsy hiova endrika rehefa androtsaka azy anaty menaka.
Avela hafana tsara ny menaka, ary endasina aveo ny « beignets ». Rehefa miloko « doré » dia avadika. Avadibadika matetika mba ho masaka tsara. Tsihifina tsara dia atao eo ambony siramamy mba hiraikitra amin’ny mofo ny siramamy.

Lire la suite

Articles Similaires