• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Instant Houra
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana « huîtres »

06/11/2023 10:29 © Moov.Mg

Anisan’ireo toerana manan-karena « huîtres » ny morontsirak’i Madagasikara. Na tsara kalitao aza nefa izy ireny eto amintsika dia maro ireo tsy mankafy ny mihinana izany. Fa inona tokoa ary ny vokatsoa ho an’ny vatana sy ny fahasalamana azo avy amin’ny fihinanana « huîtres » ?

Hazan-drano manankarena otrik’aina ny « huîtres »

Maro ireo vokatsoa entin’ny fihinanana « huîtres » eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Manampy betsaka amin’ny fanatsarana ary mandrisika ny fiasan’ny vatana ity karazana hazan-drano ity noho izy manankarena otrik’aina. Ahitana « vitamines », « oligo-éléments » sy « minéraux » amin’ny tahany ambony ao amin’ny « huîtres ». Ankoatra izay dia maro ihany koa ireo singa ilain’ny vatana hita ao aminy, toy ny « cuivre », « fer », « zinc », « vitamines C, D et E », « riboflavine » … Anisan’ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana « huîtres » ny :

Fiarovana ny fahasalaman’ny fo

Toy ireo karazana trondro sy ireo hazan-drano maro dia manankarena « oméga 3 » izay « acides gras » ilain’ny vatana ny « huîtres ». Ny « oméga 3 » moa dia miasa amin’ny fiarovana ny lalan-drà sy fo amin’ny alalan’ny fampihenana ny fiangonan’ny « plaques » izay mety hanentsina ny lalan-drà. Ny « vitamine E » etsy andaniny dia manamafy ireo « membranes cellulaires » izay miaro amin’ireo aretin’ny fo.

Fanatsarana ny fikorian’ny rà

Ny « potassium » sy ny « magnésium » hita ao amin’ny « huîtres » dia miara-miasa amin’ny fanatsarana ny fikorian’ny rà sy ny tosi-drà. Ireo singa ireo dia manampy ny rà amin’ny fitondrana ny « oxygène » ao amin’ny vatana. Etsy andaniny ny « fer » hita ao amin’ny « huîtres » dia mampitombo ny famokarana « globules rouges » ao amin’ny rà ka miaro indrindra amin’ny tsy fahampian’ny rà na « anémie ».

Manampy amin’ny fampihenana vatana

Ny « huîtres » dia sakafo tsy be kaloria ary tsy matavy ka mety tsara ho an’ny olona izay te hampihena vatana. Ahitana « protéines » betsaka lavitra nohon’ny akoho ihany koa ao amin’ny « huîtres ». Ny « protéines » dia anisan’ireo singa manome fahatsapana voky ao amin’ny vatana. Izany hoe rehefa mihinana ity karazana hazan-drano ity dia ho mora voky sy tsy mora mahatsiaro noana. Hoanina miaraka amin’ny vinaigitra kely na voasary makirana kely kosa nefa ny « huîtres » raha te hihena fa tsy ampiharana amin’ny sakafo matavy toy ny dibera na « mayonnaise ».

Mila mitandrina tsara kosa nefa rehefa mihinana « huîtres ». Tandremana mba mpivarotra azo antoka no hividianana izany. Jerana tsara hoe mbola velona sy madio tsara ireo entana amidiny. Mankarary ary mety mahafaty ny fihinanana « huîtres » efa maty na misy loto.

Lire la suite

Articles Similaires