• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © National Geographic
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny zavoka

02/11/2023 17:03 © Moov.Mg

Anisan’ny voankazo mitondra vokatsoa maro hoan’ny vatana sy ny fahasalamana ny zavoka. Maniry eto amintsika izy ireny ary tena feno mihintsy eny an-tsena eny rehefa tonga ny fotoana fahavokarany. Fa inona tokoa ary ireo vokatsoa azo avy amin’ny zavoka ?

Mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana

Ny fihinanana zavoka dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana. Anisan’izany ny :
-Fanamafisana sy fampitomboana ny hery fiarovana noho izy manankarena « fibres », « potassium », « anti-inflammatoire » … ;
-Fanatsarana ny fandevonan-kanina noho izy be « fibres » ;
-Fiadiana amin’ny areti-maso no izy mitahiry « luteine » izay « anti-oxydant » miady amin’ny areti-maso ;
-Manatsara ny fo sady mampihena ny tahan’ny « cholestérol » ratsy ao amin’ny vatana ;
-Mampihena ny « arthrose » rehefa afangaro amin’ny soja ;
-Mandanjalanja ny « glycémie » nohon’ny fisian’ny « gras mono-insaturés » ao aminy ;

Mitondra vokatsoa ho an’ny volo sy ny hoditra

Maro ihany koa ny vokatsoa entin’ny fampiasana zavoka eo amin’ny volo sy ny hoditra. Tsy hoanina kosa izy amin’izay fotoana izay fa ahosotra, na amin’ny volo na amin’ny hoditra. Ny zavoka dia :
-Mampalefa sy mahatanora ny hoditra noho izy manankarena « anti-oxydant » ;
-Manome rano (hydrate) ny hoditra sy ny volo ihany koa ny zavoka. Raha maina izany ny hoditra na ny volo dia hosorana « masque » avy amin’ny zavoka mba ho lasa mandina sy salama tsara.

Lire la suite

Articles Similaires