• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Goûter ho an’ny mpianatra : fomba fanamboarana « cuisse dame »

02/11/2023 15:48 © Moov.Mg

Anisan’ny zavatra manahirana ny ray aman-dreny amin’ny andavanandro tokoa ny fitadiavana « goûter » ho an’ny mpianatra, indrindra ireo mbola ankizy. Atoro eto ary ny fomba fanamboarana « cuisse dame » ao an-trano. Mahavoky, matsiro ary azo antoka ho an’ny fahasalaman’ny ankizy.

Ny zavatra ilaina raha hanamboatra « cuisse dame »

-Lafarina 400g ;
-Levure chimique 1 sotrokely ;
-Dibera malemy 100g ;
-Siramamy 150g ;
-Sira 1/4 sotrokely ;
-Atody 3 ;
-Voasary makirana 1 ;
-Hodin’ny voasary makirana voakiky 1 na hanitra lavanila.
-Menaka hanendasana

Fomba fikarakarana azy

Alaina ny dibera efa malemy (fa tsy natsonika), atao anaty « bol » dia kapohina amin’ny « batteuse » na « fouet » ho lasa « crème ». Arotsaka ny siramamy sy sira, manarak’izay ny atody. Kapohina tsara ireo rehetra ireo mandrapahazo fangaro fotsifotsy. Arotsaka ny hodim-boasary makirana voakiky na hanitra lavanila sy ny ranon’ilay voasary makirana.
Afangaro anaty lovia hafa ny lafarina sy ny « levure chimique » avy eo arotsaka anatin’ilay fangaro etsy ambony. Rehefa vita izay dia saromana ny paty ary avela hilona mandritra ny adiny 1 ora. Aorian’izay dia tapatapahana haka endrika lavalava be dia be ny paty avy eo endasina amin’ny menaka mamay sy mandifotra azy. Rehefa mitsingevana sy miova loko dia vita ny « cuisse dame »
Azo tehirizina anaty boaty vy misarona na « bocal ».

Lire la suite

Articles Similaires