• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Suitcase And World
Image
Fahasalamana&Sakafo

Nahandro gasy mafilotra : Fikarakarana lelan’omby saosy

31/10/2023 16:26 © Moov.Mg

Ny fomba fanaovana lelan’omby saosy indray ary no entina amintsika eto. Anisan’ny nahandro gasy ankafizin’ny maro tokoa moa izy ity, indrindra rehefa izy matsiro sy malemy tsara iny.

Ireo zavatra ilaina raha hanao lelan’omby saosy

-Lelan’omby 1 (matetika moa tsy afaka lanjaina fa tonga dia ilay lelany iray no vidiana) ;
-Voatabia sy tongolo;
-Rano ;
-Sira ;
-Tongolo gasy ;
-« thym » ;
-Dipoavatra.

Fomba fikarakarana ny lelan’omby saosy

Ampangotrahana anaty rano misy sira mandritra ny 5 minitra ilay lelan’omby. Rehefa vita izay dia kikisana tsara amin’ny antsy mba hiala ilay hodiny fotsifotsy iny. Raha toa ka tsy mahay manala io hodiny io moa dia afaka resahana ilay mpivaro-kena ka izy no manala izany, izany hoe manao « commande » mialoha.
Kobanina dia andrahoana malemy tsara ny lelan’omby efa voakiky. Rehefa malemy dia tetehina somary misompirana manify. Manome endrika azy ary manamora ny fitetehana azy moa izany.
Voasana ary tetehina ny tongolo. Sasana ary tetehina ihany koa ny voatabia. Voasana ary kikisana ny tongolo gasy. Endasina atao saosy ao anaty vilany ireo akora rehetra ireo ary arotsaka ao ihany koa ny sira, dipoavatra sy ny « thym ». Afangaro tsara ary arotsaka ao ilay lelan’omby malemy sy efa voatetika manify. Avela hiketrika eo ambony afo antonony ary esorina rehefa masaka tsara.
Fangarony : legioma mifangaro, karoty na petit-pois.

Lire la suite

Articles Similaires