• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny aretina bilarziozy

31/10/2023 10:26 © Moov.Mg

Rehefa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra toy izao dia mirongatra ireo karazana aretina entin’ny rano miandrona, anisan’izany ny bilarziozy na kakan-tsinay. Mety hiteraka olana lehibe eo amin’ny fahasalamana ity farany raha tsy voatsabo ara-dalana. Fa inona tokoa ny atao hoe bilarziozy ? Ahoana ny fomba fisehony ? Ahoana ny fisorohana sy ny fitsaboana izany ?

Inona no atao hoe bilarziozy ?

Ny bilarziozy, antsoina amin’ny teny vahiny hoe « bilharziose », dia aretina katsentsitra (maladie parasitaire) fahita amin’ny tany mafana sy be orana. Kankana iray antsoina hoe « Schistosoma » moa no katsentsitra (parasite) mahatonga ny aretina bilarziozy.
Miaina ao anaty rano miangona na ranomamy ity karazana kankana ity ary manatody ao. Ireo atody ireo dia hanin’ny « sifaka » miaina anaty rano ary mivoaka ao amin’izy ireo rehefa foy ka lasa zanan-kankana (larves). Ireto farany dia mitsofoka ao amin’ny hoditry ny olona miditra na mifampikasoka amin’ny rano misy azy ireo.
Rehefa tafiditra ao anaty hoditra ny zanan-kankana « Schistosoma » dia mifindra any amin’ny aty ka ao izy no lasa kankana lehibe. Ireo kankana lehibe dia monina ary manatody ao anatin’ny lalan-drà. Lasa mankany amin’ny maloto na any amin’ny fivalanan-dranon’ilay olona avy eo ireo atody ireo.

Ahoana ny fomba fisehon’ny bilarziozy ?

Miovaova arakaraky ny hamafin’ny aretina ny fisehon’ny bilarziozy. Raha « bilharziose aigu » no mahazo ilay olona dia herinandro vitsy aorian’ny nidiran’ny kankana tao amin’ny vatany no miseho ireo soritraretina toy ny :
-Faritra mangidihidy amin’ny hoditra ;
-Fanaviana ;
-Fanaintainana amin’ny hozatra ;
-Aretin’an-doha ;
-Arerahana.
Raha toa ka « bilharziose chronique » no mahazo ilay marary dia toy izao ny soritr’aretina mety hitranga taona maro aorian’ny nidiran’ny kankana tao amin’ny vatana raha toa ka tsy voatsabo :
-Mikorontana ao amin’ny taova fandevonan-kanina ;
-Mikorontana ao amin’ny taova fivalanan-drano ;
-Manaintaina ao amin’ny faritry ny kibo ;
-Misy rà amin’ny maloto na ny fivalanan-drano ;
-Aretin’ny voa ;
-Fahapotehan’ny aty (cirrhose du foie).

Ahoana ny fomba fitsaboana ny bilarziozy ?

Raha miseho ireo fambara voalaza ireo dia mila manantona mpitsabo na tobim-pahasalamana ny marary mba hijerena hoe bilarziozy tokoa ve ny mahazo azy. Ny fihinana fanafody miady amin’ny katsentsitra no ahafahana mitsabo ny bilarziozy. Mety ho ela sy ho sarotra kokoa ny mitsabo ity aretina ity raha toa ka efa tonga amin’ny « stade chronique » izany.

Ireo fomba atao hisorohana ny bilarziozy

Ny fomba mahomby indrindra hisorohana ny bilarziozy dia ny tsy fikasihana rano miangona maloto noho izy ireny mety misy zanan-kankana « Schistosoma ». Fadiana ihany koa ny manao maloto eny an-kalamanjana rehetra eny, indrindra ny toerana akaiky rano mamy na rano miandrona.

Lire la suite

Articles Similaires