• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Claire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « ketchup » ao an-trano

30/10/2023 16:35 © Moov.Mg

Lasaosy iray ankafizin’ny be sy ny maro tokoa ny « ketchup » rehefa mihinana ovy nendasina. Maro ihany koa etsy andaniny ireo sakafo ampiarahana amin’izy ity. Ho an’ireo maniry hanamboatra « ketchup » ao an-trano sy amin’ny akora natoraly dia araho eto ary ny fomba fanaovana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « ketchup »

-Voatabia 1kg ;
-Tongolo 1kg ;
-Jirofo singany 4 ;
-Siramamy mena 500 g ;
-Vinaigitra 400 ml ;
-Vovo-tsakay ;
-Sira ;
-Dipoavatra voany ;
-Menaka oliva 2 sotro lehibe.

Fomba fikarakarana azy

Sasana, zaraina roa ary esorina ny vaonin’ny voatabia tsirairay. Alaina ny nofon’ireo voatabia ary atao anaty vilany lehibe. Voasana ary tetehana manify ny tongolo ary arotsaka ao anatin’ny vilany misy ny voatabia.
Ataingina eo ambony afo malefaka ny vilany ary andrahoina mandritra ny 30 minitra ny voatabia sy tongolo. Aroharoina matetika mba tsy hiraikitra. Rehefa vita izay dia potserina anaty « mixeur » ny fangaro ary averina atao anaty vilany.
Idiana ao anaty lamba « mousseline » mifatotra tsara ny dipoavatra voany, ny vovon-tsakay sy ny jirofo ary arotsaka ao anatin’ny vilany misy ny voatabia. Arotsaka manarak’izay ny vinaigitra sy ny siramamy. Avela angotraka mandritra ny 2 ora ary aroharoina matetika.
Rehefa tapitra izany fotoana izany dia avoaka tao ilay lamba « mousseline ». Asiana sira sy menaka oliva ny fangaro. Aroharoina tsara ary handrahoina mandritra ny 30 minitra indray. Atao anaty boaty vita amin’ny tavoahangy ny « ketchup » ary tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana rehefa mangatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires