• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adobe Stock
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahina ny mikasika ny zaza sima na misy « bec de lièvre »

29/10/2023 11:49 © Moov.Mg

Tsy fahatomombanana efa hatrany am-bohoka eo anivon’ny molotra no atao hoe sima na « bec de lièvre ». Entina mandrapa lehibe izany raha toa tsy misy ny fandraisan-tanana ilay zaza sima. Inona tokoa moa no atao hoe olona sima ? Inona no mahatonga izany ary ary ahoana ny fitsaboana azo atao ?

Inona no atao hoe sima na « bec de lièvre »

Araka ny efa voalaza teo ambony dia tsy fahatomombanana eo anivon’ny molotra efa hatrany am-bohoka ny sima na « bec de lièvre ». Izany hoe tsy mifampitohy ny molotra ambony fa misy vaky. Mety iray na roa izany fivakisana izany ary eo ambanin’ny orona no misy azy.
Mety mitohy hatrany anatin’ny vavy izany fivakisana izany eo amin’ny olona sasany ka vaky ny lanilany « palais ». Raha izany no mitranga dia « fente labio-palatine » no mahazo azy ary lasa mifampotohy tsy ara-dalàna ny vava sy ny orona. Raha toa ka ny lanilany ihany no misy lavaka fa tsy sima ilay zaza, izany hoe tsy hita ety ivelany ilay fivakisana, dia « fente palatine » no iantsoana izany.
Mitondra fahasahiranana eo amin’ny zaza ny sima sy ny vaky laninaly rehefa minono, misotro zavatra na mihinan-kanina. Mety hisy tafiditra any amin’ny orona tokoa mantsy ireo rehetra miditra amin’ny vava ka mahakofona. Eo amin’ny zaza moa dia sarotra amin’ny vavany ny mifikitra amin’ny nono ka lasa mivoaka ho azy eo am-bavany ny nono rehefa minono. Rehefa mihalehibe ihany koa izy dia lasa sahirana rehefa miteny.

Inona no antony mahatonga ny sima na « bec de lièvre » ?

Tsy mbola voafaritr’ireo mpikaroka ny antony mazava mahatonga ny sima satria mbola vitsy ny fikarohana natao momba azy io.
Raha ny fantatra hatreto dia matetika manaranaka ny « bec de lièvre ». Izany hoe misy ao amin'ny fianakaviana hiraisana rà ilay sima, toy ny dadabe, bebe, dadatoa…, ka mipoitra amin’ny taranaka.
Misy ihany koa ireo fikarohana efa natao izay milaza fa mety avy amin'ny niainan’ny reny tamin'ny fitondrana vohoka ihany koa no mahatonga ny zaza sima, toy ny hoe nifoka sigara na rongony, nisotro toaka, nitsindrona rongony, nihinana fanafody tsy mety hoan’ny bevohoka, nikirakira vokatra simika, sns.

Inona no ny fitsaboana azo atao ?

Ny fandidiana ihany no fitsaboana mahafaka ny sima na « bec de lièvre ». Maimaimpoana ny fanaovana izany fandidiana izany miaraka amin’ny « opération smile ». Azo atao izany fandraisan-tanana izany na amin’ny zazakely amam-bolana na amin’ny olon-dehibe.

Lire la suite

Articles Similaires