• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 750G
Image
Fahasalamana&Sakafo

Nahandro mafilotra : araho ny fikarakarana « porc au caramel »

29/10/2023 10:06 © Moov.Mg

Nahandro iray mafilotra ary azo atao laoka rehefa faran’ny herinandro toy izao ny « porc au caramel ». Arak’izany anarany izany dia henan-kisoa atao mamy-masira ity sakafo karakaina ity. Tsotra ny fanaovana azy ary tsy mandany fotoana ela. Araho ary !

Ireo zavatra ilaina raha hanao « porc au caramel »

-soron-kisoa 1,5kg ;
-4 épices 1 sotro fihinanana ;
-Sakamalaho voatoto 1 sotro fihinanana ;
-Lasaosy saozaha 6 sotro fihinanana ;
-Ron’akoho 0,5 l ;
-Siramamy 25g ;

Fomba fanaovana ny nahandro

Tetehana ny soron-kisoa ary endasina amin’ny menaka mahamay mandritra ny 5 minitra. Rehefa mahazo loko mendy dia esorina eo ambony afo. Marihana moa fa mbola ny ivelan’ny soron-kisoa ihany no mendy fa ny anatiny mbola manta.
Arotsaka ao anatin’ny ron’akoho ny 4 épices, sakamalaho voatoto sy ny lasaosy saozaha ary afangaro tsara izy rehetra.
Manao « caramel » : atsonika ao anaty lapoaly eo ambony afo malefaka ny siramamy 25g sy rano 2 sotro fihinanana. Esorina eo ambony afo rehefa mahazo loko somary mena fa tsy endrasana mainty.
Rehefa rehefa vita ny « caramel » dia arotsaka ao ny ron’akoho. Avy hatrany dia aroharoina amin’ny sotro hazo mandra paha-levony.
Arotsaka ao anatin’io fangaro amin’izay ny soron-kisoa. Tokony handifotra ity farany ny ron’akoho. Saromana ary hataingina eo ambony afo mahery. Avela hiketrika eo ny nahandro. Rehefa ritra dia mahazo lasaosy marihitra tsara. Tandremana tsara mba hahery ny afo handraoina azy satria raha malefaka izany dia ho ela vao ritra ary tsy hiraikitra amin’ny hena ny « caramel ».

Lire la suite

Articles Similaires