• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cookidoo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Recette tsotra fanaovana « croissant au beurre »

27/10/2023 15:26 © Moov.Mg

Anisan’ny « goûter » ankafizin’ny ankizy sy ny lehibe ny « croissant ». Azo atao tsara ny manamboatra azy ireny ao an-trano. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana « croissant ».

Ireo zavatra ilaina raha hanao « croissant au beurre »

-Lafarina 500g ;
-Dibera ( beurre de feuilletage) 200g ;
-Siramamy 60g ;
-Ronono 25cl ;
-Atody 1 ;
-Levure boulangère 2 sotro kely ;
-Sira 1 sotro kely.

Fomba fikarakarana ny « croissant au beurre »

Afangaro amin’ny rano matimaty ny « levure boulangère » ary arotsaka ao ny iray ampahefan’ilay lafarina. Kapohana amin’ny « fouet » hifangaro tsara ary avela hilona ao. Atao anaty lovia jobo ny ambin’ny lafarina, arotsaka ny sira sy siramamy ary ny ronono. Alefa ao ihany koa ilay « levure boulangère » efa nalona. Bolabolaina amin’ny tanana mba hifangaro tsara.
Rehefa vita izay dia mahazo paty somary « élastique » sy tsy miraikidraikitra intsony. Apetraka eo ambony latabatra ny paty ary fisahana amin’ny « rouleau à pâtisserie » na tavoahangy vy. Atao fisaka manify tsara dia apetraka eo amboniny ny « beurre de feuilletage ». Fonosina ao anat’ilay paty ilay dibera ary
Fisahana indray indray mba hifangaro tsara amin’ilay paty ilay dibera. Aforitra telo ny paty ary avela hilona mandritra ny 15 minitra. Rehefa vita zay dia fisahana indray mandeha indray ilay paty ary zaraina atao telozoro maromaro. Aforitra atao mahazo endrika « croissant » ireo telozoro ireo ary atsofoka anaty lafaoro mandritra ny 20 minitra. Avoaka kely ary osorana tamenak’atody ireo « croissant » mba ho tsara endrika rehefa masaka. Averina anaty lafaoro ary masahana mandritra ny 45 minitra eo ho eo.

Lire la suite

Articles Similaires