• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mon Vanity Idéal
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Kefir de lait » : ireo vokatsoa azo amin’ny fihinanana izany

26/10/2023 14:01 © Moov.Mg

Anisan’ny vokatra fahenontsika tato ho ato ny hoe « kefir de lait ». Arak’izany anarany izany dia vokatra azo avy amin’ny ronono izy ity. Maro ireo vokatsoa entin’ny fihinana ny « kefir de lait » amin’ny fiainana andavanandro. ‘Ndeha ange ho resahina e !

Inona no atao hoe « kefir de lait » ?

Ny « kefir de lait » dia zava-pisotro azo avy amin’ny ronono velona izay nafangaro tamin’ny atao hoe « kefir ». Ny « kefir » moa dia karazana olatra sy bakteria kely atao hoe probiotika izay maniry sy miaina anaty ronono « fermenté ». Amin'ny maha zava-maniry azy dia mila masomboly ny fanamboarana ny « kefir ». Io masomboly io dia antsoina hoe "grains de kefir".
Raha hanamboantra « kefir de lait » noho izany dia mila mampiasa « grains de kefir » ary izy io no atao maniry anaty ronono. Rehefa vita izany dia mahazo zava-pisotro somary toy ny « crème », eo anelanelan’ny ronono sy ny « yaourt ». Somary marikivy ny tsirony ary toy ny somary mandroatra kely rehefa ao am-bava. Ny « kefir » kosa dia toy ireny « choux fleur » ireny ny paoziny.

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana « kefir de lait »

Araky ny voalaza teo aloha dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny « kefir de lait ».
-Amin'ny maha probiotika azy dia mahasoa ny tsinay izy ary manatsara ny fandevonankanina ;
-Mampiakatra be ny hery fiarovana ;
-Manatsara ny fitadidiana hoan'ny mpianatra ;
-Manadio ny ao anaty ;
-Mety tsara amin'ny diabetika sy ireo manana olana tosi-drà ;
-Manampy amin’ny fandoroana ny tavy sy ny fampihenana vatana.
Marihana kosa nefa fa tsy mety hoan'ny olona tratry ny homamiadan'ny tsinay ny « Kefir de lait ».

Lire la suite

Articles Similaires