• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Un News
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo sakafo sy fahazaran-dratsy mety hiteraka homamiadana

25/10/2023 08:36 © Moov.Mg

Aretina anisan'ny tena atahoran'ny maro ny homamiadana. Sarotra tokoa mantsy ny fitsaboana, ary mety hiafara amin'ny fahafatesana na ho an'ireo manana fahafahana mitsabo aza. Izany indrindra no tsara ampiharana ny fitandremana rehetra, mba hisorohana izany areti-mandoza izany.

Ireo sakafo tsy dia mahasoa

Fohy loatra ny fiainana ka mila araraotina. Tsy midika nefa izany hoe afaka manao izay tiany ny tsirairay. Ny vatana izao dia mila kojakojaina tsara satria saro-pady ny fahasalamana. Maromaro ireo sakafo izay mety hitarika homamiadana.

Hena mena sy hena voahodina

Anisan'ny sakafo matsiro sy tena ankafizin'ny maro ny hena. Tsy dia mahasalama loatra nefa ny hena mena, izay misy "fer héminique" tsy mahasoa, satria efa "hena" ihany koa ny vatan'olombelona. Tsy tsara hanina matetika ihany koa ireo "charcuteries" isan-karazany. ireo "conservateurs" ao anatiny no mamotika ny vatana. Aleo mifantoka bebe kokoa amin'ny trondro sy amin'ny hena "bio" toy ny soja.

Sakafo matavy

"Mitondrà ny matavy" : fomba fiteny malagasy izany rehefa hiantsena ny olona iray. Midika izany fa tena matsiro tokoa ny sakafo matavy. Ny "glucides" sy "lipides" nefa dia mahatonga homamiadana rehefa tafahoatra loatra. Mety ho tafahoatra ny lanjan'ny olona iray (surpoids) ka ho mora andairan'aretina.

Kiendiendy

Matsiro tokoa ny sakafo rehefa endasina. Eny amin'ny ankamaroan'ireo "gargottes" aza moa dia vokatra voaendy avokoa no tena mandeha. Ampahatsiahivina nefa isika fa mety hahatonga "cancer" ny sakafo voaendy, indrindra moa fa raha mampiasa menaka efa avy nanendasana ny mpahandro. Raha te ho salama tsara dia voankazo no asolo ny "pommes frites" sy ny "beignets".

Sira

Hafa ihany ny sakafo misy sira saingy mety hankarary izany. Ilàna fitandremana ny fihinanana sakafo be sira. Atao amin'ny antonony ny sira, ary ianarana mihitsy aza ny mihinana sakafo somary matsatso. Ny homamiadan'ny vavony no miandry voalohany ireo tia sira loatra. Tsara ihany koa ny manamarika fa tsy tokony hanina be loatra ny siramamy.


Copyright Image : © Pourquoi docteur

Ireo fahazaran-dratsy mampidi-doza

Marobe ireo "zavatra mahafinaritra" tena tian'ny olombelona nefa mety hitondra loza rehefa mandeha eny ny volana sy ny taona.

Fifohana sigara

"Tsy maintsy ho faty na mifoka na tsy mifoka", hoy ny maro. Tsy azo lavina kosa nefa fa manafohy ny andro iainana ny aretina azo avy amin'ny fifohana sigara. Ho an'ireo te ho lava andro iainana sady tsy te ho sahirana hitsabo, azo atao tsara ny misoroka na miala ny sigara. Ny setroky ny sigara sy ny zava-mahadomelina ao aminy mantsy dia manamainty ny avokavoka sady manimba taova maro ao amin'ny vatana.

Fisotroana kafe

Anisan'ny zava-mahadomelina ny kafe, satria miteraka "dépendance". Tsy vitsy ireo olona tsy mahazo aina sy tsy mahavita zavatra raha vao tsy misotro kafe. Mampiakatra tosi-drà izy io sady mampangovitra rehefa mitombo ny taona. Maro ihany koa ireo tsy mety mahita tory (insomnie), marary an-doha lava, marary vavony, sns. Ny tena fahadisoan-kevitra dia ny manampy ny fatran'ny kafe sotroina rehefa misy tsy metimety.

Fisotroana zava-pisotro misy alikaola

Ilain'ny olombelona ny alikaola, mba hampitomboana ny tahan'ny "choléstérol tsara" ao amin'ny vatana. Raha mihoatra nefa ny "dose" raisina dia manimba. Azo atao ny misotro alikaola indraindray, saingy ampiarahana amin'ny sakafo marobe, sady ferana ny fatra sotroina. Matetika mantsy ny malagasy no misotro toaka nefa na ny "tsaky" hihinanana azy aza tsy misy akory. Tsy voatery handry an-tatatra akory vao lazaina hoe "sambatsambatry ny alikaola".

Mitanin'andro

Anisan'ny antony goavana handehanana "vacances" any amoron-tsiraka ny "bain de soleil". Na dia mety mahafinaritra tokoa aza ny "bronzage", ferana ny fijanonana any ivelan'ny trano, rehefa miposaka be ny masoandro. Ny taratry ny masoandro mantsy dia manimba sy mampamaina ny hoditra, ka mety hitarika amin'ny fahazoana homamiadan'ny hoditra. Tsara ny mampiasa fitaovana fiarovana amin'ny masoandro (satroka ohatra) sy manosotra "crème solaire) rehefa mafana be ny andro.


Copyright Image : © Slate

Lire la suite

Articles Similaires