• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Docmorris
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ilaina tokoa ve ny manosotra « crème solaire » isan’andro ?

24/10/2023 10:25 © Moov.Mg

Rehefa fotoanan’ny fahavaratra toy izao dia manentana hatrany ny manampahaizana momba ny hoditra ny amin’ny tokony ampiasana ny « crème solaire ». Fa inona tokoa ny tombontsoa azo avy amin’ny fanosorana « crème solaire » isan’andro ? Ahoana ny fampiasana azy ireny ?

Inona no antony tokony hiarovana ny vatana amin’ny masoandro ?

Ny taratry ny masoandro dia mitondra vitaminina D ao amin’ny vatana mihoatra nohon’ny sakafo hanintsika. Maro ny anjara asan’ny vitaminina D eo amin’ny vatana, toy ny fanamafisana ny taolana sy ny nify, ny fiarovana amin’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà, ny fampitomboana ny hery fiarovana, fiadiana amin’ny rarin-tsaina … Misy vokadratsy ihany koa nefa etsy andaniny ny tanin’andro.
Ny taratry ny masoandro, antsoina hoe « rayons ultraviolets » dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny hoditra toy ny famaizana (coups de soleil), fahanteran’ny hoditra aloha loatra na ihany koa ny homamiadan’ny hoditra. Ilaina noho izany ny miaro ny vatana, indrindra ny hoditra, amin’ny masoandro. Ny fampiasana ny « crème solaire » dia fomba iray hanakanana ny taratry ny masoandro tsy ho tonga eo amin’ny hoditra.

Inona avy ary ireo vokatsoa azo avy amin’ny fampiasana « crème solaire » isan’andro ?

Ny « crème solaire » dia vokatra iray ahosotra amin’ny tarehy sy ny faritry ny vatana tiana arovana amin’ny masoandro, na ny tanin’andro. Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny fanosorana « crème solaire » isan’andro :
-Miaro ny hoditra amin’ny famaizana. Rehefa may ny masoandro ny hoditra dia manaintaina, mety hiteraka poa-drano, miofaka, tsy mahazaka masoandro intsony. Ny fanosorana « crème solaire » isan’andro dia miaro ny hoditra tsy ho may, fa indrindra ihany koa mampalandina sy manome fahasalamana azy ;
-Misoroka ny fahanteran’ny hoditra aloha loatra. Ny tratry ny masoandro tokoa mantsy dia mety manimba ireo sela amin’ny hoditra ka mahatonga ny ketrona, ny tasy sy ireo fambara samihafa ny fahanteran’ny hoditra ;
-Mampihena ny risika hahazoana homamiadan’ny hoditra. Anisan’ny homamiadana mpahazo ireo olona fotsy fihodirana ny homamiadan’ny hoditra. Ny taratry ny masoandro moa no isan’ireo antony lehibe indrindra mahatonga izany aretina izany.

Ahoana ny fomba fampiasana « crème solaire » ?

Mba ahazoana ireo tombontsoa avy amin’ny « crème solaire » dia mila arahana tsara ny fampiasana azy :
-Osorana 30 minitra alohan’ny hivoahana ny trano ny « crème solaire » ;
-Atao mahazo ity « crème » ity avokoa ireo faritry ny vatana mety ho tratry ny ain’andro ;
-Ampiana isaky ny adiny roa, na mihoatra, ny « crème solaire » raha toa ka milomano na tsemboka.
-Tandremana ihany koa mba vokatra mifanaraka amin’ny karazan’ny hoditry ny tena no ampiasaina. Tsara raha manontany « pharmacien » na mpitsabo hoditra alohan’ny hividianana « crème solaire ».

Lire la suite

Articles Similaires