• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Sur Le Net
Image
Fahasalamana&Sakafo

Frezy : Voankazo mahasalama sy be rano !

21/10/2023 20:06 © Moov.Mg

Mafana be ny andro ! Tena ilaina mihinana voankazo manankarena rano sady mampangatsiatsiaka. Anisan'ny mora sady betsaka eny an-tsena ny frezy. 'Ndeha àry fantarina ny voka-tsoa azo avy aminy, na ho an'ny ankizy na ho an'ny lehibe.

Voankazo mahasoa

Misy singa mahasalama ny frezy. Ananany ny vitamina B9 sy C, ny calcium, ny manganèse ary ny magnésium. Ahitana "antioxydants" ihany koa io voankazo io, izany hoe mahamora ny famonoana sy famoahana ny loto any anaty. Raha mihinana na avy nihinana sakafo saro-devonina, manampy betsaka ny taova fandevonan-kanina ny frezy. Vetivety dia maivamaivana na mahatsiaro voky be aza.
Koa satria manankarena Vitamine C toy ny voasary ny frezy, mampitombo ny hery fiarovana izy sady mampatanjaka. Aza adino ny mihinana frezy rehefa voan'ny sery/ gripa na rehefa mahatsiaro reradreraka iny. Amporisihina ireo olona efa mahazohazo taona hihinana frezy matetika. Ny vitamina B9 mantsy dia manampy amin'ny fiforonan'ny "globules rouges" sady miantoka ny fikojakojana ny fiasan'ny saina.
Marihana moa fa na dia be rano aza ny frezy (90%), tsy mahasolo ny rano ilain'ny vatan'olombelona izy. Tsy azo tapahina ny fisotroana rano 1,5 litatra isan'andro na mahalany frezy betsaka aza.

Voankazo mety ho an'ny diabetika

Noho izy kely siramamy, tsy misy atahorana ny fihinanana io voankazo io ho an'ny olona diabetika. Tandremana tsara ny fampiasana siramamy raha ampiasaina anamboarana "jus" na "glace" na "confiture" ny frezy.
Matetika dia somary marikivy ny frezy. Izany indrindra no hihinana azy miaraka amin'ny voankazo mamy kokoa toy ny akondro sy ny papay. Mamelombelon'aina ery ny mihinana "salade de fruits" misy frezy.

Voankazo tsy mampatavy

Tsy atahorana hampatavy ny frezy, eny fa na mahalany mihoatra ny 250 grama isan'andro aza ny olona iray. 6 grama isaky ny 100 grama ihany mantsy ny "glucide" ao aminy. Tsy dia misy "calories" ihany koa io voankazo io satria 35 kCal/100g no tarehimarika hitan'ny manam-pahaizana. Azo atao tsara ny mihinana frezy rehefa mahatsiaro noana anelanelam-potoana iny.

Lire la suite

Articles Similaires