• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medisite
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ahoana no amantarana olona voan’ny « appendicite » ?

19/10/2023 10:54 © Moov.Mg

Misy manindrona tampoka ve ao amin’ny faritry ny kibo havanana rehefa mamindra na mibata zavatra mavesatra ? Mety « appendicite » izany. Aretin’ny « appendice » izay ampahany amin’ny tsinay moa ity farany. Raha tsy misy fandraisan-tanana mialoha dia mety hihitatra ho areti-mandoza. Ahoana ary no ahafantarana olona voan’ny « appendicite » ? Inona no mahatonga izany ary ahoana ny fitsaboana atao ?

Inona no atao hoe « appendicite » ?

Araky ny voalaza teo ambony dia aretin’ny « appendice », izay ampahany amin’ny tsinay, no atao hoe « appendicite ». Mety ho tratry izany avokoa ny olona rehetra fa ireo eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 30 taona no tena isehoan’izany. Efa mora tsaboina ny « appendicite » ankehitriny raha toa ka hita mialoha.
Raha taraiky kosa ny fandraisan-tanana ny aretina dia mety hihitatra ka lasa sarotra tsaboina. Tsy fantatra mazava hatreto ny antony mahatonga ny « appendicite ». Raha ny tranga maro fahitan’ireo mpitsabo dia vokatry ny fijanonan'ireo maloto mafy, na kankana kely, na zavatra hafa manentsina ny anatin'ny « appendice » no mahatonga azy io.

Ireo fomba fisehon’ny « appendicite »

Misy karazana roa ny aretina « appendicite ». Ny voalohany dia ny « appendicite aïgue » izay mateti-pitranga indrindra. Ny fomba fisehon’ny « appendicite aïgue » dia ny :
-fahatsapana manaintaina manindrona tampoka eo amin’ny manodidina ny foitra ary midina mankany amin’ny ilany ambany ankavanana sy amin’ny fe izany fanaintainana izany ;
-mihamafy hatrany ny fahatsapana fanaintainana ka mety manindrona mafy be anatin’ny iray andro ;
-mety hahatsapa maloiloy sy te handoa ;
-lasa malain-komana ;

mety hisy hafanana sy hangovitra ;

-mivalana na mitohana ;
-mety misy zavatra fotsifotsy miforona eo ambonin'ny lela.
Ny « appendicite chronique » no karazana « appendicite » faharoa. Tsy dia fahita firy izy ity ary sarotsarotra ny mamantra azy raha oharina amin’ny « appendicite aïgue ». Raha voan’ny « appendicite chronique » ny olona iray dia mahatsapa fainaintainana eo amin’ny manodidina ny kibo. Tsy voafaritra mazava ny toerana misy ilay fanaintainana fa toy ny miparitaka eo anivon’ny kibo. Mety maharitra kokoa ilay fanaintainana ary miverimberina tsindraindray.
Mila manao fizahana sy fitiliana ny mpitsabo alohan’ny hamaritana fa « appendicite» tokoa no mahazo ilay marary.

Ny fomba fitsaboana ny « appendicite »

Ny fandidina ihany hatreto no fitsaboina mahasitrana sy analana ny « appendicite ». Vao miseho ireo soritr’aretina dia mila manantona toeram-pitsaboana avy hatrany. Raha tara ny fandraisan-tanana dia mety ho vaky ny « appendicite » ka lasa sarotra tsaboina tokoa. Ny fihinanana antibiotika dia tsy mitsabo ity aretina ity tanteraka fa manena ny fihitarany fotsiny ihany aretina.

Lire la suite

Articles Similaires