• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bon Ap
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « flan au caramel »

18/10/2023 15:50 © Moov.Mg

Anisan’ny tsindrin-tsakafo ankafizin’ny be sy ny maro ny « flan ». Maro moa ny karazana « flan » afaka amboarina ka ilay misy « crème renversée na caramel » no atoro eto. Azo atao ny mikarakara « flan » ampiasana atody fa ny entina eto anio dia ilay mampiasa « poudre crème patissière ».

Ireo zavatra ilaina raha hanao « flan au caramel »

-Ronono 1 l ;

« Poudre crème pâtissière » 1 vera sy tapany ;

-Siramamy 5 sotro fihinana ny atao anaty « flan » ary 150 gr eo ho eo hanaovana ny « caramel ».
-Dibera 50g.

Fomba fikarakarana ny « flan au caramel »

Maka lovia jobo ary arotsaka ao ny « poudre crème pâtissière ». Manarak’izay dia arotsaka ao ny ronono tapaky ny vera ary haroharoana tsara mandra-pahazo fangaro malama sy mandranoka. Rehefa vita izay dia atao ambony afo ny ambin’ny ronono rehetra ary arotsaka ao avy hatrany ilay fangaro namboarina teo aloha. Haroharoina hatrany mandra-pahateviny. Mila mitandrina tsara satria miraikitra amin'ny vody vilany ilay fangaro ary lasa may raha toa ka tsy voaroharo tsara. Rehefa matevina be dia esorina eo ambony afo.
Miroso amin’ny fanaovana ny « caramel ». Hafanaina ny lapoaly (tsy misy inon'inona) ary arotsaka ao ny siramamy ary aroharohina hatrany mandra-pahavitany. Rehefa hita fa manomboka mitsonika ny siramamy dia arotsaka ny dibera. Rehefa manome volon-tany ny lokony, dia tapohana rano amin'izay. Aroharoina tsara hatrany mandrapahalevon'ny « caramel » mafimafy ao anatin'ilay « sauce ».
Maka vera kely miisa 8 ary araraka ao anatin’izy ireo tsirairay avy ny « caramel » 1 na 2 sotro fihinanana. Manarak’izay dia arotsaka ao amin’ny alalan’ny sotrobe jobo ny « flan » efa navela hangatsitsiaka. Rehefa vita izay dia atsofoka ao anaty vata-fampangatsiahana. Avela hipetraka ao mandritra ny alina hahazo « flan » matevina tsara.

Lire la suite

Articles Similaires