• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Farineuse
Image
Fahasalamana&Sakafo

Papaye : Voankazo mahasalama sy mampangatsiatsiaka !

18/10/2023 03:34 © Moov.Mg

Kely sisa dia tsy hahita papaye intsony isika eny an-tsena : efa miha-lafo io voankazo io nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana oktobra teo. 'Ndeha àry araraotina ny mbola fahitana io voankazo io noho ireo soa marobe entiny ho an'ny fahasalamana, na ho an'ny ankizy na ho an'ny lehibe.

Mahatsara ny fo

Tsy sangisangy tokoa ilay hoe "omena jus de papaye" ny olona rehefa tezitra be iny. Mampitony ny fo tokoa mantsy ny papaye. Noho ny "potassium" sy ny "fibres" ao anatiny, manatsara ny fahasalaman'ny fo io voankazo io. Mitandro ny "tension" tsy ho ambany na ho ambony loatra izy.
Ho an'ireo olona rera-dava, mahasoa ny fihinanana papaye. Mampahazo aina vetivety io voankazo io noho ny siramamy sy ny singa mahasalama rehetra entiny.

Mahasalama ireo taova fandevonan-kanina

Voankazo manasitrana vavony ny papaye : mampihena ny rivotra anaty vavony sy ny fanaintainana. Ho an'ireo mparary vavony matetika dia tena amporisihana ny fihinanana io voankazo io, indray mandeha isan-kerinandro farafahakeliny. Manamora ny fandevonan-kanina izy sady mora levonina ihany koa. Azo hanina tsara ihany koa io voankazo io raha manana olana amin'ny famoahana maloto (constipation).

Mahatsara hoditra

Mahamandina sy mahasalama ny hoditra ny fihinanana papaye. Manan-karena "beta-carotène" sy "vitamine C" mantsy izy. Azo hosorana mivantana amin'ny hoditra ihany koa ny papaye, indrindra rehefa mahatsikaritra tasy na koa main'ny masoandro. Misy ihany koa ireo manasa volo amin'ny ranona papaye (tsy misy siramamy). Tsy vitsy ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny taovolo sy ny tarehy no mampiasa ny papaye hanamboarana crèmes, lotions na shampoing.

Ahoana àry ny fihinanana papaye ?

Amin'izao andro mafana izao, mampahazo aina ery ny mihinana papaye notetehina somary nampangatsiahana kely tao anaty vata fampangatsiahana. Azo atao goûter tsara izy na hohanina alohan'ny sakafo (tsindrian-tsakafo fa tsy tsindrin-tsakafo). Tsy vitsy ireo olona manamboatra "salade de fruits" ka mampifangaro ny papaye amin'ny voankazo hafa : akondro, frezy, voaroy, mananasy, sns. Azo atao tsara ihany koa ny manodina azy ho lasa ranom-boankazo. Atao marihatra tsara mba tsy hampiasana siramamy betsaka.

Fanamarihana

Ho an'ny olona diabetika, mila lanjalanjaina tsara ny fihinanana papaye. Misy siramamy natoraly mantsy io voankazo io. Didina papaye ohatran'ny felan-tanana dia ampy, ary hohanina in-telo isan-kerinandro izany raha be indrindra. Azo atao tsara ny mihinana ny voankazo miaraka amin'ny yaourt (nature) mba tsy hampiakatra be ny tahan'ny siramamy ao amin'ny vatana.

Lire la suite

Articles Similaires