• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana lasary « papaye »

17/10/2023 17:06 © Moov.Mg

Sakafo iray fihinantsika rehefa mandeha miala-sasatra any amin’ny morontsiraka ny lasary « papaye ». Ampiarahana amin’ny masikita na amin’ny trondro natono moa izy ireny matetika. Mba ahafahanao mamerina ireny karazana tsakitsaky tsy afoizantsika ny fialan-tsasaratra ireny ary dia atoro eto ny fanaovana lasary « papaye ».

Ireo zavatra ilaina raha hanao lasary « papaye »

-« Papaye » lehibe manta 1 ;
-Voasary makirana na vinaigitra ;
-Tongolobe ;
-Menaka ;
-Sira sy dipoavatra.

Ny fomba fikarakarana ny lasary « papaye »

Sasana madio tsara ny « papaye », voasana, zaraina roa ary esorina ny vaoniny. Kikisana amin’ny habeny tiana. Rehefa vita izay dia mampangotraka rano anaty vilany. Arotsaka ao anatin’ilay rano mangotraka ny « papaye » voakiky ary avela hijanona ao mandritra ny 5 minitra. Tandremana mba tsy atao malemy loatra. Rehefa vita dia esorina ambony afo ary avela hitsiaka tsara anaty « passoire ».
Manamboatra « sauce vinaigrette ». Voasana ny tongolo ary tetehana manify. Atao anaty « bol » kely ary afangaro ao ny voasary makirana na ny vinaigitra, ny menaka, ny sira sy ny dipoavatra. Atao anaty « saladier » ny « papaye » ary arotsaka ao ny « vinaigrette ». Afangaro tsara mba ho tafiditra anatin’ny « papaye » ilay « sauce ».
Azo atao ihany koa ny tsy mampangotraka ilay « papaye » voakiky fa tonga dia afangaro ao ilay « vinaigrette ». Mila avela milona elaela kosa nefa vao hanina mba ho masak’ilay « vinaigrette » ny « papaye » ka halemy kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires