• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé-Medadom
Image
Fahasalamana&Sakafo

Krampin’ny hozatra: inona no mahatonga izany ?

17/10/2023 14:56 © Moov.Mg

Mateti-pitranga tokoa ny krampin’ny hozatra ary amin’ny alina rehefa matory izy ireny mahazana no mitranga. Fa inona tokoa moa izany krampin’ny hozatra izany ? Inona no mahatonga azy ? Ahoana ny atao raha sendra misy krampin’ny hozatra ?

Inona no atao hoe krampin’ny hozatra ?

Ny krampin’ny hozatra, antsoina amin’ny teny vahiny hoe « crampe musculaire » dia fikainkonana manaintaina, tsy nahy ary tampoka eo amin’ny ampahan’ny hozatra iray na izy manontolo. Rehefa mitranga izany krampy izany dia lasa sarotra ahetsika ilay faritry ny vatana tratr’izany. Mihena miandalana izany fikainkonan’ny hozatra izany aorian’ny minitra vitsy. Matetika moa dia amin’ny alina izy ireny no mitranga fa mety hiseho ihany koa mandritra ny andro. Ny hozatra amin’ny ranjo sy ny fe moa mahazana no tratry ny krampin’ny hozatra. Samy mety hitrangan’ny krampin’ny hozatra avokoa ny olona rehetra. Ny beantitra, ny mpanao fanatanjahantena ary ny vehivavy bevohoka nefa no matetika tratr’izany.

Inona no antony mahatonga ny krampin’ny hozatra ?

Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny krampin’ny hozatra, anisan’izany ny :
-Tsy fahampiana rano ;
-Fampiasana vatana mafy loatra nandritra ny tontolo andro ;
-Fihinana zava-pisotro manaitaitra toy ny kafe, dite… ;
-Hatsiaka ;
-Taha ambanin’ny potasioma, kalsioma na manesioma ao anaty rà ;
-Tsy fitomombanan’ny fikorian’ny rà ;
-Fitondrana vohoka.
Tsy voatery misy antony ihany koa nefa ny mahatonga ny ankamaroan’ny krampin’ny hozatra mitranga amin’ny alina.

Ireo fomba atao hisorohana ny krampin’ny hozatra

Mba hisorohana ny krampin’ny hozatra dia misy ireo fomba sy fahazarana tsotra azo ampiharina amin’ny fiainana andavanandro, toy ny :
-Fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro ;
-Fanaovana « étirements » sy « échauffements » tsara alohan’ny hanaovana fanatanjahantena ;
-Fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy be otrikaina
Ilaina kosa ny manantona mpitsabo raha toa ka miverina matetika ny krampin’ny hozatra na koa maharitra ela loatra vao mijanona ny fanaintainana.

Ireo fomba atao raha sendra manao krampin’ny hozatra

Raha toa ka manao krampin’ny hozatra amin’ny alina dia mila ezahana hatsotra ilay hozatra mikainkona sady orina moramora. Raha toa ka ny ranjo no tratr’ilay krampy dia sintomina amin’ny tanana ny rantsan-tongotra, ingaina ambony ny tongotra ary ampiakarina manantona ny tratra ny lohalika. Rehefa azoazo dia miezaka mitsangana sy mamindra mba hampitony ny hozatra. Azo atao ihany koa ny mandona ny hozatra anaty rano mafana mba hampitsotra azy haingana sy hampisinda ny fanaintainana.

Lire la suite

Articles Similaires