• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Europe1
Image
Fahasalamana&Sakafo

Rano mangatsika : Tsy tsara ho an'ny fahasalamana !

17/10/2023 16:21 © Moov.Mg

Antoky ny fahasalamana ny fisotroana rano. Ny olon-dehibe maherin'ny 40 kilao dia tokony misotro rano 1,5 hatramin'ny 2 litatra isan'andro. Manamora ny fiasan'ny taova ao anaty izany, sady mahamandimandina ny hoditra. Araka ny hevitr'ireo manam-pahaizana nefa, tsy mahasoa loatra ny fisotroana rano mangatsiaka.

Ireo aretina azo avy amin'ny rano mangatsiaka

Amin'izao andro mafana izao, tsy vitsy ireo misotro rano avy amin'ny robinet, na avy nampangatsiahana tao anaty vata fampangatsiahana mihitsy aza.
Ireto àry misy voka-dratsin'ny rano mangatsiaka amin'ny fahasalamana :
-Manakombona sy manery ny lalan-drà 4 ao anatin'ny fo ka mety hahatonga ny atao hoe "crise cardiaque";
-Miteraka olana ao amin'ny aty, noho izy mampiraikitra ny menaka ao amin'io taova io ;
-Mampikorontana sy mampidi-drivotra amin'ny vavony sy ny tsinay ;
-Mahatonga homamiadana ;
-Mety hiteraka kohaka indrindra ho an'ny ankizy sy ireo olona marefo ;
-Mitarika aretin'andoha raha avy any amin'ny mafana be na avy nanao fanatanjahan-tena ;
Raha tsy misy vokadratsiny eo amin'ny fahatanorana ny fisotroana rano mangatsiaka dia hiteraka fanelingelenana ny fahasalaman'ny vatana rehefa miha-antitra .

Rano toy ny ahoana àry no tokony sotroina ?

Tsy ratsy akory ireo rano efa voaomana amin'ny tavoahangy. Tsy vitsy ihany koa ireo tokantrano efa manana "filtre à eau" mba hamporisihana ny tsirairay hisotro rano. Mba hitandrovana ny fahasalamana nefa, tsara ny misotro rano matimaty na mafana. Raha tsy mijanona matetika ao an-trano dia azo atao ny mampiasa "thermos" mba hanapohana ny rano mangatsiaka. Raha atao amin'ny teny fohy, mila mari-pana mihoatra ny 20°C ny rano vao sotroina.

Ho an'ireo mihinam-panafody, tsy mety mihitsy ny rano mangatsiaka, noho izy manasarotra ny fandevonan-kanina. Raha tiana handaitra haingana ny fanafody dia rano somary mafana no hitelomana azy.


Copyright Image : © Fontaine à eau

Lire la suite

Articles Similaires