• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Supersmart.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fampihenanana vatana : mandaitra ve ny « jeûne intermittent » ?

16/10/2023 14:55 © Moov.Mg

Fomba fampihenana vatana fahenontsika tao anatin’ny taona vitsy izay ny hoe « jeûne intermittent ». Fomba fisakafoanana miompana amin’ny tsy fihinanana sakafo mandritra ny fotoana voafaritra moa ity farany. Ahoana ny fanaovana « jeûne intermittent » ary mandaitra tokoa ve izany raha te hanena vatana ?

Inona no atao hoe « jeûne intermittent » ary ahoana ny fanaovana izany ?

Ny « jeûne intermittent », antsoina ihany koa hoe « fasting » dia fomba fisakafoanana mifantoka amin’ny fanelanelanana fotoana hifadiana sakafo sy hinanana izany. Maro ny vokatsoa entin’ny fanaovana « jeûne intermittent » eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Anisan’izany ny fandanjalanjana ny hanoanana, ny fanesorana ny tavy, ny fanadiovana ny ao anatin’ny vatana…
Tsara raha manantona manam-pahaizana momba ny fisakafoanana raha mikasa hanao « jeûne intermittent ». Maro tokoa mantsy ny fomba fanatanterahana ity fomba fisakafoanana ity ary miankina amin’ny lafin-javatra maro no hisafidianana izany, toy ny taona, ny haben’ilay olona, ny toe-batana…

Ahoana ny fanaovana « jeûne intermittent » ?

Araka ny efa voalaza teo aloha dia misy karazany maro ny fanaovana « jeûne intermittent ». Ny faharetan’ny fotoana hifadiana sakafo sy ny fahafahana mihinana no mampiavaka azy ireo. Ny « jeûne intermittent » 16/8 no isan’ny malaza indrindra. Izany hoe afaka misakafo ao anatin’ny adiny 8 ary mijanona tsy mihinana mandritra ny adiny 16 ambiny satria ny andro iray dia misy 24 ora.
Misy fomba roa lehibe afaka anaovana ny « jeûne intermittent » 16/8 :
Tsy mihinana sakafo maraina fa amin’ny 12 ora atoandro vao misakafo. Amin’ny 8 ora hariva no misakafo hariva ary tsy mihinana ninoninona intsony aorian’izay raha tsy ny ampitso amin’ny 12 ora atoandro indray.
Mihinana sakafo maraina amin’ny 8 ora maraina ary amin’ny 6 ora hariva no mihinana sakafo farany. Izany hoe, tsy misakafo intsony manomboka amin’ny 6 ora hariva fa ny ampitso amin’ny 8 ora maraina indray vao mihinana.
Mba hampahomby ny « jeûne intermittent » dia mila hajaina tsara ireo fe-potoana ireo, indrindra ny fifadiana sakafo. Tandremana ihany koa mba ho sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana no hanina rehefa amin’ny fotoana fihinanana. Azo atao hatrany ny misotro rano mandritra ny tontolo andro, na ao anatin’ny fotoana tsy hinanana sakafo aza. Afaka mihinana ody ambavafo maivamaivana ihany koa mandritra ny fotoana ahafahana misakafo.

Mampihena ve ny fanaovana « jeûne intermittent » ?

Ireo fotoana fifadiana sakafo mandritra ny « jeûne intermittent » dia manala ny tavy ratsy ary manadio ny vatana. Ankoatra izay dia mihena « apport calorique » miditra ao amin’ny vatana ka rehefa ela ny ela dia lasa mampihena. Miankina betsaka amin’ny sakafo hanina rehefa afaka misakafo ihany koa nefa izany fihenana izany. Tsy mahomby ity fomba fisakafoanana ity raha toa ka sakafo mampatavy na be loatra no hanina. Tsy hadinoina ihany koa ny misotro rano betsaka sy ny manao fanatanjahantena.

Lire la suite

Articles Similaires