• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Supertoinette
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo sakafo tsara hanina raha miakatra tosi-drà

15/10/2023 18:43 © Moov.Mg

Tsy mifidy taona intsony ankehitriny ny olona miakatra tosi-drà. Efa maro ireo tanora lasa mihinana fanafody mandra-pahafaty hisorohana ny fiakaran’ny tosi-drà izay mety mitarika ny fahatapahan’ny lalan-drà. Atoro eto ary ireo karazana sakafo tsara hanina hanatsarana ny tosi-drà sy ho famenon’ny fanafody fitsaboana izany.

Ny « brocoli »

Fomba iray manampy hanatsarana ny tosi-drà ny fihinana legioma sy voankazo karazany 5 isan’andro. Anisan’ny legioma be kalsioma, potasioma ary manezioma ilain’ny vatana ny « brocoli ». Mandray anjara betsaka amin’ny fandrindrana ny tosi-drà ireo singa hita ao anatin’ny « brocoli » ireo. Misoroka aretina mifandray amin’ny lalan-drà ihany koa ny « flavonoïdes » ao anatiny. Tsara raha tsy atao masaka be loatra ny « brocoli » mba ho voatahiry avokoa ny otrikaina ao anatiny.

Ny tongolo gasy

Efa maro no mahafantatra fa mampidina tosi-drà ny tongolo gasy. Voaporofo ara-tsiansa rahateo fa mampihena ny tahan’ny tosi-drà sy ny kolesteroly ratsy ny fihinanana tongolo gasy. Ilaina noho izany ny mihinana hasiny efatra isan’andro amin’izany raha te-hisitraka ny tombotsoa azy avy aminy. Tohizana hatrany ny fanafody tosi-drà ho an’izay efa mihinana izany fa ho fanampiny fotsiny ihany ny fihinanana tongolo gasy.

Ny « yaourt »

Araka ny voka-panadihadiana iray natao tao Minnesota dia voamarina fa manampy betsaka amin’ny fampidinana ny tosi-drà ambony loatra ny fihinanana « yaourt » matetika sy amin’ny fotoana raikitra noho izy manankarena kalsioma. Olona 2.000 teo no nanaovana andrana tamin’izany nahitana ity voka-panadihadiana ity. Marihana fa ny « yaourt » be « probiotiques » kosa no tsara hanina.

Ny « cacao »

Anisan’ireo karazana sakafo manankarena « flavonoïdes » ny « cacao » ka miaro ny vatana amin’ny rarin-tsaina. Fantatra nefa fa ny rarin-tsaina no isan’ireo fototra mampiakatra ny tosi-drà. Ankoatra izay dia mitahiry manezioma sy potasioma amin’ny tahany ambony ihany koa ny « cacao ». Tsara kosa nefa raha izy ilay feno otrikaina no hanina, izany hoe tsy latsaky ny 60% ny « cacao » ao anatiny.

Ny tamotamo

Misoroka aretina maro ny tamotamo ary anisan’izany ny fiakaran’ny tosi-drà. Manana fahafahana misoroka ny rà tsy hivaingana ao anaty (anticoagulant) sady miaro azy amin’ny mikraoba koa ny tamotamo. Ny tamotamo fakany no hoanina manta na kikisana atao amin’ny laoka.

Ny akondro

Hita ao anatin’ny akondro ny otrikaina mineraly miaro ny fo sy ny lalan-drà dia ny manezioma, ny potasioma ary ny kalsioma izany. Be « fibres » ary be vitamina B sy C koa ny akondro ankoatra izay. Mahasalama tsara ny mihinana azy vokatr’izany.

Lire la suite

Articles Similaires