• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Se Préparer Pour Madagascar
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana hen’omby ritra malemy tsara

13/10/2023 16:47 © Moov.Mg

Nahandro malagasy isan’ny matsiro ary ankafizin’ny be sy ny maro ny hen’omby ritra. Hafa ihany moa ity fomba fandrahoana hen’omby ity rehefa izy malemy tsara iny. Ny fomba fikarakarana hen’omby ritra malemy tsara sy matsiro amin’ny fomba nahandro malagasy ary no andeha ho atoro eto.

Ireo zavatra ilaina raha hanao hen’omby ritra

-Hen’omby matavy na mahia amin’izay lanjany tia ;
-Tongolo gasy ;
-Sira ;
-Sakamalaho ;
-Menaka.

Fomba fikarakarana hen’omby ritra malemy tsara

Sasana tsara ny hena ary andrahoina izy bolongany iny ary asiana sira. Tsy tetehana ilay hena mba hampalemy tsara azy mandritra ny fandrahoana azy. Voasana ny tongolo gasy sy ny sakamalaho ary kikisana. Avy eo arotsaka ao anatin’ny hena. Tapohana rano hatrany mandrapahalemin’ny hena.
Rehefa hita fa malemy tsara dia sarasarahana amin’ny sotro rovitra sy antsy. Rehefa vita izay dia averina ataingina eo ambony afo ny hen’omby ary atao afo malefaka. Asiana menaka kely ny nahandro rehefa hita fa mitady ho ritra. Izany dia mba ahamendimendy azy sy mba tsy ho mora mandry rehefa eo am-pihinanana. Esorina eo ambony afo rehefa hita fa tsy misy rano intsony fa menaka sisa no manamandina ny hena.

Lire la suite

Articles Similaires