• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo karazana sakafo tsy tsara hanina manta

13/10/2023 14:57 © Moov.Mg

Maro amintsika no mankafy sakafo atao mantamanta fa tsy masahana be loatra, na tena manta mihitsy aza. Marihina nefa fa misy amin’ireny karazana sakafo manta na tsy masaka tsara ireny no manampoizina ny vatantsika ka mety hankarary. ‘Ndeha ary ampahafantarina eto ireo karazana sakafo mila atao masaka tsara alohan’ny hinanana azy.

Ny ovy

Ny ovy dia anisan’ny tena poizina ho an’ny vatan’olombelona raha toa ka tsy atao masaka tsara vao hoanina. Misy poizina antsoina hoe « salanine » ao anatin’ny ovy manta. Ny « salanine » no miaro ny ovy amin’ireo bakteria, olatra na koa bibikely mety hanimba azy raha izy mbola ao anaty tany iny. Rehefa andrahoina na endasina atao masaka tsara ny ovy dia afaka tanteraka ny « salanine ». Raha toa ka tsy masaka tsara ny ovy hoanina dia mbola mijanona ao ny « salanine » ka lasa manampoizina sy mankarary ny vavony. Mety hitarika aretina hafa toy ny fivalanana raha toa ka be loatra.

Ny “haricots verts”

Maro amintsika no tia mihinana « haricots verts” mantamanta noho ny fiheverana fa mitondra sela mineraly kokoa izy tsy masaka iny. Misy ihany koa moa ny mihinana izany « haricots verts » tsy nomasahana izany rehefa manena vatana. Fantaro nefa fa ahitana molekiola miaro azy amin’ny « parasite » mandritra ny fitomboany ny « haricots verts ». Azo lazaina ho poizina ho an’ny olombelona ihany koa izany molekiola izany raha tafiditra ao amin’ny vatana satria mety mitarika aretin’ny tsinay. Mba hisorohana izany dia tsara raha ampangotrahina farafahakeliny ity karazana legioma ity vao hanina.

Ny olatra na ny “Champignon”

Anisan’ireo sakafo tsy azo hoanina manta na tsy masaka tsara ny olatra na ny « champignon ». Ny olatra antsoina hoe « morilles », izay fampiasa rehefa ikarakara sakafo no isan’ireo tsy fihinana manta indrindra. Ahitana molekiola mamono ny sela mena amin’ny vatan’olombelona amin’ny izy ireny raha toa ka hanina manta ary mety mitarika tsy fahampian-drà. Tsy misy atahorana kosa ny fihinana ny « champignon de Paris » raha tsy masahana intsony aza.
Ireto legioma ireto ihany koa dia tokony handrahoina tsara vao hohanina :
-Mangahazo
-Tsaramaso
-Aubergine
-Epinards
-Choufleur/ Brocoli

Ny henakisoa sy akoho

Efa fahenontsika matetika ny hoe mankarary ny fihinana henakisoa tsy masaka tsara. Torak’izany ihany koa ny akoho manta. Marihana fa ahitana karazana bakteria roa atao hoe « salmonelle » sy « campylobacter » ao amin’izy ireny. Ireto farany moa dia mitombo ao anatin’ny kisoa sy ny akoho. Mifindra amintsika olombelona izany raha mihinana ny henan’ireo biby ireo manta na tsy masaka tsara isika. Maro ny aretina mety azo avy amin’ireo bakteria ireo, toy ny aretin’ny tsinay…

Lire la suite

Articles Similaires