• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « mayonnaise » tsy mampiasa menaka

12/10/2023 17:11 © Moov.Mg

Maro ny sakafo ampiasaintsika « mayonnaise », indrindra moa ny fanokafam-bavony. Raha ny fikarakarana fanaontsika hatramin’izay moa dia mampiasa menaka betsaka ny fanaovana azy ity. Maro nefa ireo tsy afaka mihinana menaka be loatra ka izany indrindra no itondrana eto ity fanaovana « mayonnaise » tsy mampiasa menaka ity.

Ireo akora ilaina raha hanao « mayonnaise » tsy mampiasa menaka

Tamenak’atody masaka 1 ;
« moutarde » iray sotro fihinanana;
« Yaourt nature » na « yaourt » tsy misy siramamy 1 boaty ;
sira sy dipoavatra ;
ranom-boasary makirana 1/2 ny sotro kely (Tapa-tsotro kely).

Fomba fikarakarana « mayonnaise » tsy mila menaka

Afangaro anaty lovia jobo ny « moutarde », ny tamenak’atody masaka, ny ranom-boasary makirana, ary ny sira sy ny dipoavatra. Atao mifangaro tsara mba ho lasa marihitra.
Arotsaka ao anatin’io fangaro io ny « yaourt nature » mba hampalefaka azy. Kapohana mafy sy haingana amin’ny « fouet » mba hampiverina azy ho marihitra indray. Mety ihany kokoa raha « batteuse » no ampiasaina mba hahazo vokatra tsara.
Raha toa ka lasa malefaka loatra ny « mayonnaise » dia azo ampiana tamenak’atody masaka hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires