• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Onpp.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Misy « ampoules » amin’ny tanana na ny tongotra : ahoana no atao ?

12/10/2023 14:36 © Moov.Mg

Ireo mibontsin-drano miforona eo amin’ny hoditra no atao hoe « ampoules ». Ny fifampikasoahan’ny hoditra amin’ny zavatra mafy sy miverimberina, toy ny rehefa manao kiraro tery, no mahatonga azy ireny. Ahoana ny fiforonan’ny « ampoules » ary inona ny fomba atao fitsaboana izany ?

Ny fomba fiforonan’ny « ampoules » amin’ny tanana na ny tongotra

Mizara roa lehibe ny sosona mandrafitra ny hoditra, dia ny « épiderme » eo ivelany ary ny « derme » ao anatiny. Rehefa mifampikasoka amin’ny zavatra mafy sy miverimberina ny hoditra dia lasa mianga na miala amin’ny « derme » ny « épiderme ». Misy tsiranoka miforona eo anelanelan’ireo sosona roa ireo ka izay no mampiforona ny « ampoules ».
Eo amin’ny tongotra sy ny tanana moa no ahitana « ampoules ». Maro ireo antony mety mahatonga izany. Raha ny amin’ny tongotra manokana dia vokatry ny kiraro tery na ilay ataontsika hoe kiraro « manaikitra » no mampisy « ampoules ». Raha amin’ny tanana indray dia ny fampiasana fitaovana an-jaridaina toy ny angady na ny hety fanetezana vilona matetika no mampisy « ampoules ».
Vao miforona ny « ampoules » dia tsapa manaintaina eo amin’ilay faritra nisy fifampikasohana niverimberina tamin’ny zavatra mafy. Lasa mivaramena ary avy eo miforona ilay mibontsin-drano. Mety tsy misy loko, somary mavo na somary mena ilay tsiranoka ao anatin’ny « ampoules ».

Ahoana ny fomba atao hitsaboana ny « ampoules » ?

Rehefa misy « ampoule » eo amin’ny tongotra na amin’ny tanana dia mila mitandrina tsara mba tsy ho vaky izany. Ela kokoa vao sitrana ny « ampoule » ary mety hivadika fery, indrindra raha niniana novakiana tamin’ny fitaovana tsy voadio. Raha toa ka vaky ho azy ilay mibontsin-drano dia fadiana ny manala na manongotra ilay hoditra niainga. Io hoditra io tokoa mantsy no miverina mipetaka indray ka manafaingana ny fahasitranan’ilay « ampoule ».
Raha afaka ho azy ilay hoditra dia tsara raha diovina amin’ny ranon-tsavony ny ratra navelan’ny « ampoule ». Afaka avela maina amin’ny rivotra eo fotsina na asiana « pansement ». Mila manantona mpitsabo kosa ny olona diabetika raha toa ka misy « ampoule » noho izy ireny sarotim-pery.
Mba hisorohana ny fiforonan’ny « ampoules » dia tsara raha kiraro mampahazo aina sy antonona tsara no anaovana. Mila manao « gants » rehefa mampiasa fitaovana mety mitarika fifampikasohana miverimberina amin’ny tanana.

Lire la suite

Articles Similaires