• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Stress.App
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny vay

12/10/2023 09:36 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mahazo ny olona rehetra ny vay na ilay antsoina hoe « furoncle » amin’ny teny vahiny. Maro ny mieritreritra hoe vokatry ny rà maloto no mahatonga azy ireny. Raha ny marina nefa dia « bactérie » no mitarika ny vay. ‘Ndeha ary ho resahina ireo tsara fantatra mikasika ny vay.

Inona no atao hoe vay sy ny mahatonga azy ireny ?

Ny vay na « furoncle » dia « infection » vokatry ny bakteria iray fahita eo amin’ny hoditra antsoina hoe « staphylocoque doré ». Miendrika toy ny mony ny vay amin’ny voalohany ary eo amin’ny foton’ny volo iray amin’ny hoditra izy no miforona. Rehefa mihalehibe na mihitatra izany dia lasa mamorona nana ao anatiny ary manaintaina tokoa. Matetika dia eo amin’ny tarehy, fe, lamosina, fitombenana na eo amin’ny soroka no misy ny vay.
Maro ny antony mety mahatonga ny vay, anisan’izany ny :
-Tsy fahampian’ny fahadiovana ;
-hatsembohana be loatra ka lasa manentsina ny mason-koditra ;
-volo tsy mivoaka ;
-fiharatana amin’ny areza tsy voadio tsara ;
-fanesorana (épilation) volo amin’ny faritry ny hoditra tsy voadio tsara ;
-ratra kely (somisika na voatataka) tsy voadio na kaikitry ny bibikely izay manamora ny fidiran’ny bakteria.
Marihana fa misy ihany koa ireo aretina na toe-batana mety mahatonga ny olona iray ho mora hisy vay. Anisan’izany ny diabeta, tavy be loatra, tsy fahampiana « fer », « allergie », aretin-koditra sasany toy « eczéma », fisotroana toaka be loatra, rarin-tsaina… Mety mampisy vay ihany koa ny fijanonana ela amin’ny hopitaly sy ny fihinanana fanafody mahery miady amin’ny homamiadana.

Ahoana no fomba fisehon’ny vay ?

Amin’ny voalohany dia somary misy mivonto kely toy ny mony, mafimafy, eo amin’ny fototry ny volo iray amin’ny hoditra. Mivaramena sy mafana eo amin’ny faritra misy ilay fivontosana kely. Avy eo mihamalemy ity farany ary misy nana miforona ao anatiny. Manaintaina ary misy lohany kely somary manopy mavomavo, izay mety ho vaky ho azy fa misy ihany koa anefa ny somary elaela vao vaky. Rehefa vaky izy io dia mbola misy ilay antsoin'ny malagasy hoe akàlany. Mila afaka na esorina tanteraka io akàlany io mba tsy hiotrika ela ao anatin’ny hoditra. Marihana fa mety hifindra eo amin’ny vatan’ilay olona ny vay.

Ahoana ny fitsaboana ny vay ?

Amin’ny ankapobeny dia afaka sy sitrana ho azy ao anatin’ny andro vitsivitsy ny vay ary mamela holatra. Mba hahamasaka haingana ny vay dia petapetahana amin’ny « compresse » nolomana rano mafana izany. Tohizana hatrany mandrapaha-vaky azy. Soloina matetika ilay « compresse ». Tandremana tsara mba hiala tsara ilay akàlana mba ho afaka tanteraka ilay vay.
Tandremo fa tsy tokony ho potserina amin'ny rantsan-tanana ilay vay fa manjary hilentika fotsiny ao ireo loto ka vao maika hanonitra. Raha toa ka tsy mety sitrana na hita fa be loatra ilay nana amin’ilay vay dia mila manantona mpitsabo mba hahazo ny fanafody sahaza amin’ny fitsaboana izany.

Lire la suite

Articles Similaires