• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bio À La Une
Image
Fahasalamana&Sakafo

Vehivavy bevohoka : Inona avy ireo sakafo tena ilain'ny zaza ao an-kibo ?

11/10/2023 11:52 © Moov.Mg

Fotoana manan-danja amin'ny vehivavy rehetra ny fitondrana vohoka. Tsy vitsy ireo fampitandremana na avy amin'ny mpitsabo na ny fiaraha-monina. Mba hahasalama tsara ny zaza ao an-kibo, ilaina tokoa ny mihinana sakafo mitondra hery sy tanjaka, mba hampitombo tsara ny zaza sady hisorohana ny aretina ho an'ny reny mitondra vohoka. Ireto àry misy sakafo mahasoa mandritra ny 9 volana.

Anandrano

Manankarena "fer" ny anandrano ka tena amporisihina ny fihinanana azy mandritra ny fitondrana vohoka. Arovana mafy amin'ny tsy fahampian-drà mantsy ny vehivavy bevohoka. Ho an'ireo izay manantona toeram-pitsaboana dia tsy maintsy mihinana pilifera na sirop "fer" mba hiarovana ny ain'ny vehivavy raha sendra very rà be loatra eo am-piterahana. Ahitana Vitamina B9 ihany koa ny anandrano. Raha ny tena tsara dia mihinana anandrano betsaka ny vehivavy dieny fantatra fa mitsaika. Mandray anjara betsaka amin'ny fiforonan'ny zaza ao an-kibo mantsy io akora io, indrindra fa ireo singa mandrafitra ny atidoha.
Tsiahivina ihany koa fa misy kalsioma, vitamina D, ioda sy vokatra matavy mahasoa ny anandrano.

Legioma

Ilain'ny vehivavy bevohoka avokoa ireo legioma fahita eny an-tsena. Singanina manokana ny karoty, ovy, voatavo sy haricot vert. Azo atao tsara ny manao lasopy tsotsotra sady asiana sakamalaho mba hampafana tsara ny kibo.
Fantaro nefa ireo vitamina entin'ny legioma maromaro, hahafahana mandanjalanja sy mampifangaro azy ireo :
Vitamina A : Karoty, voatabia, courgettes ;
Vitamina B9 : Laisoa, épinards, salady maitso ;
Vitamina C : Poivrons, radis, brocolis, persily ;
Fibre : Haricot vert/ rouge, artichaut, petit pois, lentilles.

Voamaina

Mitondra potassium, fer sy magnésium ireo voamaina. Azo hohanin'ny vehivavy bevohoka tsara ny tsaramaso, voanjobory, lentilles, sns. Ilaina ny mihinana izany indray mandeha isan-kerinandro farafahakeliny. Raha toa ka marary vavony, azo atao ny manala ny hodin'ireo voamaina. Tsara ny manamarika fa sakafo matsiro sady miaro amin'ny diabeta sy ny aretin'ny fo izy ireny.
Tsy voatery asiana hena ny voamaina. Efa hita ao amin'ity farany mantsy ny ankamaroan'ireo singa ao amin'ny hena. Atao rony no tena mahatsara ny voamaina.


Copyright Image : © NutriCo

Yaourt/ Fromazy

Mila kalsioma betsaka ny vehivavy bevohoka, hampitombo ny hery fiarovana sy ny tanjaka mandritra ny fitondrana vohoka. Eo ho eo amin'ny 200g ny kalsioma ilain'ny zaza ao an-kibo. Izany hoe mila mihinana yaourt 2 isan'andro farafahakeliny. Azo atao ihany koa ny mihinana fromazy. Ny "Gruyère" 100g ohatra dia hahazoana kalsioma eo ho eo amin'ny 110g. Ilaina tokoa ny mamaky ny takelaka mampiseho ny vokatra azo avy amin'ny fangaro ampiasain'ny manamboatra yaourt na fromazy.

Voankazo

Mampatanjaka ny voankazo, sady manampy rano ho an'ny vatana. Tsara kokoa izany raha ireo "fruits hydratants" no hohanin'ny vehivavy bevohoka. Anisan'izany ny pastèque, papaye sy fraise. Tsy azo adino ny akondro satria mitondra potassium betsaka. Mahasoa ny vehivavy mitondra vohoka ny "salade de fruits", izay hahitana voankazo maromaro mitambatra. Amporisihina ihany koa ny fisotroana ranomboankazo izay atao ao an-trano ihany. Atao kelikely nefa ny siramamy satria mankarary indray ny "jus" raha mamy loatra.
Mahasoa ny vehivavy bevohoka ihany koa ireo "fruits à la coque" toy ny amande sy noix de cajou.


Copyright Image : © Tougo.jpg

Ireo sakafo tokony fadiana

Sarobidy ny aina, indrindra moa fa olona roa no resaka mandritra ny fitondrana vohoka. Misy tokoa ireo sakafo tsy tokony hohanina satria mety mitondra mikroba na mampangidihidy. Matetika dia ireo sakafo tsy masaka tsara no tena mila fadiana :
-Charcuteries
-Atody manta na tsy masaka tsara (Jus atody, oeuf à la coque, sns)
-Fromazy vita amin'ny ronono tsy nampangotrahina
-Trondro manta (sushi) na fumé
-Hena na trondro natono
Mazava ho azy, tsy mahazo mandray alikaola sy zava-mahadomelina ny vehivavy bevohoka. Mahatonga fahasamponan'ny zaza, fahafahan-jaza na fahaterahana tsy tonga volana ny fisotroana toaka/ labiera na ny fifohana sigara.

Torohevitra mikasika ny fisakafoanana rehefa bevohoka

In-telo isan'andro ihany no misakafo rehefa bevohoka. Izany hoe mijanona amin'ny fomba fisakafoanana mahazatra ihany. Misakafo ampy tsara no tanjona fa tsy misakafo ho an'olon-droa. Azo atao tsara kosa nefa ny mihanana "goûter" eny an-tenantenan'ora raha tena mahatsiaro noana. Fidiana tsara mba tsy ho sakafo mampatavy sy tsy mitondra hery no hohanina : yaourt, ranomboankazo na voankazo.
Ilaina ny mihinana voankazo sy legioma karazany 5 avy isan'andro. Tsy adino ny mihinana hena, atody sy vokatra vita avy amin'ny ronono, voalanjalanja tsara ny fatrany. Ahena na ajanona mihitsy ny fihinanana vokatra voahodina misy akora simika : paty misy saosy, sakafo amin'ny boaty afanaina, ... Tsy dia mahasoa ihany koa ny kiendiendy sy ny sakafo vita amin'ny lafarinina. Ampahatsiahivina ny fisotroana rano, hatramin'ny 2 litatra isan'andro. Ny ankamaroan'ireo gynécologues dia efa manome "régime" ho an'ireo vehivavy bevohoka, mba hihinanana sakafo mahasalama sy hisorohana ny fahazoan-danja be loatra.


Copyright Image : © Dispensaire diététique

Lire la suite

Articles Similaires