Andro mafana : Ireo voankazo be rano sady mamelombelon'aina
Miha-mafana hatrany ny planeta tany noho ny fahasimban'ny tontolo iainana. Mihena isan'andro isan'ora mantsy ireo zava-maniry sy rano manome rivotra mangatsitsika ho an'ny olombelona. Raha ny vinavinan'ny sampana mpamantatra ny toetr'andro ho an'i Madagasikara, mety hihoatra ny 40°C ny mari-pana, indrindra ho an'ireo faritra amoron-dranomasina. Na eto Antananarivo aza, mahavaky loha sola ny hafanana. 'Ndeha àry hihinana voankazo "hydratant", izany hoe mitondra rano mahasalama ho an'ny vatana.
Pastèque
Araka ny hevitry ny mpitsabo, salama kokoa ny olona iray rehefa mihinana legioma sy voankazo mihoatra ny telo karazana avy isan'andro. Amin'izao andro mafana izao, tsara kokoa raha mifantoka amin'ireo voankazo vonton-drano. Anisan'izany ny "Pastèque". Tsy dia lafo izy io sady lehibe ka azon'ny mpianakavy ifampizarana.
Azo atao "jus" tsara ihany koa ny pastèque sady tsy mila siramamy. Atao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny iray eo ho eo ny ranom-boankazo vao sotroina, hahatsara kokoa ny tsirony sy hampangatsiaka azy tsara. Raha ny lafiny fahasalamana no resahana, manatsara ny fikorinan'ny rà ny pasteque. Miaro amin'ny aretin'ny fo sy ny tosidrà ihany koa izy. Ho an'ireo olona manena vatana, azo atao sakafo atoandro na hariva io voankazo io. Mora voky ny mpihinana ka misoroka ny fihinana sakafo tsy mahasalama sy mety hampatavy izany.
Fraise
Rano ny 90%n'ny fraise. Izany indrindra no amporisihana ny fihinanana azy amin'izao andro mafana izao. Azo ahodina ho ranom-boankazo izy na afangaro amin'ny voankazo hafa, hahazoana "salade de fruits". Entanina isika hanasa tsara ny fraise, amin'ny alalan'ny rano sy ny sur'eau, mba hisorohana ny aretina. Ampahatsiahivina fa mitondra vitamine C sy singa miaro amin'ny diabeta sy ny homamiadana ny fraise.
Azo atao tsara ny manodina ny fraise ho lasa "confiture" saingy misy very ny hery sy rano entiny, sady mila mampiasa siramamy betsaka. Raha mahay manamboatra glace, voankazo tena tsara ny fraise.
Papaye
Somary efa miha-lafo ny Papaye amin'izao vanim-potoana mafana izao, raha ny eto Antananarivo manokana. Tsara ihany nefa ny manokana vola ividianana io voankazo io satria manan-karena rano izy. Mamelombelon'aina ny papaye, indrindra rehefa mafana be amin'ny atoandro iny. Mahasalama tokoa ny papay satria misy vitamina A, B1, B2 ary C. Rehefa mihinana io voankazo io matetika ny olona dia miha-mazava ny hoditra. Misy tokoa ireo mpikaroka no manamboatra "crème hydratante" na "crème pour cheveux" amin'ny alalan'ny papay.
Ampahatsiahivina moa fa mahatsara vavony kokoa ny mihinana ny voankazo mialoha ny sakafo : "tsindrian-tsakafo" ny voankazo fa tsy "tsindrin-tsakafo".
Voasary makirana
Ny 89%n'ny voasary makirana dia rano avokoa. Tsy vitan'izany ihany fa takatry ny fahefa-mividy rehetra io voankazo io : manomboka amin'ny 100 ariary ny singany eto an-drenivohitra. Maro moa no tsy mahazaka mihinana azy tsy misy fangarony, satria tena marikivy izy. Izany no mahatonga ny maro manodina zy ho ranom-boankazo. Tandremana nefa ny fatran'ny siramamy satria iaraha-mahalala fa tsy mahasalama loatra io akora io.
Anisan'ireo voankazo be rano ihany koa ny mananasy, ny voaloboka, ny paiso ary ny carambole.
Rano
Na dia mihinana voankazo karazany 5 no mihoatra isan'andro aza, tsy azo adino ny fisotroana rano. Ny olona iray, mihoatra ny 40kg dia tokony hahalany rano 1,5 hatramin'ny 2 litatra isan'andro. Mety hihoatra aza io fatra io rehefa mampiasa vatana be nefa sady danihan'ny masoandro. Isa-maraina, tsara raha atao anaty tavoahangy lehibe iray ny rano tokony sotroina isan'andro, ka tsy maintsy taperina izany mandra-paharivan'ny andro.
Azo atao tsara ny mihinana "glace" raha misy rano eny an-tanana. Raha tsy misotro rano mantsy dia voa mainka maina ny tenda rehefa lany ilay glace.