• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Alice Délice
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « magret de canard fumé »

05/10/2023 15:52 © Moov.Mg

Anisan’ny nahandro azo atao laoka, tsakitsaky na ampiasaina amin’ny karazana nahandro hafa ny « magret de canard fumé ». Tsy mila zavatra maro ny fanaovana izany. Tsy mampiasa rano ary tsy handrahoina ihany koa moa izy ity nefa dia tena matsiro tokoa.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « magret de canard fumé »

-Nofon-tratran’ny gana (magret) 1kg ;
-dipoavatra 20g ;
-lovia misarona « plastique » (tupperware) lehibe antonona ilay nofo tratra ;
-vaingan-tsira mahafeno ilay tupperwer ;
-lamba "serviette de table" iray lehibe.

Fomba fikarakarana

Sasana ny nofon-tratran’ny gana ary fafana ho maina tsara. Rehefa vita izay dia asiana sira ao anatin’ilay lovia (tupperware) mba ho atao lafik’ilay « magret ». Apetraka eo ambonin’ireo sira ilay « magret » ary rarahana vaingan-tsira atao mandrakotra azy tanteraka. Avy eo saromana atao mihidy tsara ilay lovia.
Avela mipetraka ao anaty vata-fampangatsiahana manditra ny 1 andro. Aorian’izay dia avoaka tao anatin’ilay lovia ary fafana tsara ilay « magret » mba hiala avokoa ireo sira rehetra. Tsy azo sasana manjary lasa makina sy miova loko mangana.
Alaina ilay lamba « serviette de table » lehibe ary apetraka eo ambony latabatra. Atao eo nofon-tratra ary osorana dipoavatra tsara. Avy eo fonosona tsara amin'ilay lamba. Averina atsofoka ao anaty vata-fampangatsiahana ary apetraka eo amin’ny farany ambany mandritra ny 1 volana. Tsy kitihana ary tsy sokafana mandritra izany fotoana izany.
Rehefa tapitra ny 1 volana dia avoaka. Rehefa sokafana ilay lamba dia hita fa lasa maina be sy mainty ny ivelan’ilay « magret ». Rehefa tetehana kosa nefa dia mena tsara ny ao anatiny. Tehirizina amin'ny toerana maina, mifono lamba "serviette de table" maina sy madio.

Fanamarihana :

Mila mitandrina tsara amin'ny fahadiovana, atao maina tsara ny « magret » vao karakaraina ary hajaina tsara ny fotoana hipetrahany anaty vata-fampangatsiana. Tsy dia tsara amin’ny olona misy tosi-drà ity nahandro ity noho izy mampiasa sira be.

Lire la suite

Articles Similaires