• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © E-Sante.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny momba ny « grossesse molaire » na zaza voaloboka

05/10/2023 15:48 © Moov.Mg

Anisan’ireo tsy fikorontanan’ny fitondrana vohoka mety mitera-doza ho an’ny vehivavy ny « grossesse molaire » na zaza voaloboka raha toa ka tsy voatsabo haingana. Fa inona tokoa izany « grossesse molaire » izany ? Inona avy ny soritr’aretina ary ahoana ny fitsaboana izany ?

Inona no atao hoe « grossesse molaire » na zaza voaloboka ?

Antsoina ihany koa hoe « mole hydatiforme », ny « grossesse molaire » na ny zaza voaloboka dia fahasarotana iray tsy dia fahita firy amin’ny fitondrana vohoka. Nohon’ny tsy fahatomombanan’ny fitsahina (fécondation) no mahatonga ny zaza voaloboka. Izany hoe tsy araka ny tokony ho izy ny fihaonan’ny atoninaina vavy (ovule) sy ny atodinaina lahy (spermatozoïde).
Misy karazany roa moa ny tranga "zaza voaloboka" : voalohany, mety ho ny atodinainay vavy no tsy tomombana " môle hydatiforme complète " ; faharoa ny atodinainay lahy no tsy tomombana "môle hydatiforme partielle". Raha izany no mitranga dia tsy mivoatra ara-dalàna ny ahitra (placenta) ka lasa mamorona karazana « kystes » miendrika voaloboka be dia be. Mazava ho azy fa tsy misy zaza ao anatin’ilay atody ary tsy afaka mitohy izany karazana fitondrana vohoka izany. Matetika moa dia miala ho azy izany, toy ny hoe afa-jaza ilay vehivavy.

Ahoana ny soratr’aretina ahafantarana « grossesse molaire »

Matetika dia miseho amin’ny telo volana voalohany ary mitovy amin’ny fitondrana vohoka mahazatra ireo fambaran’ny « grossesse molaire » na zaza voaloboka. Izany hoe mahatsiaro maloiloy, mandoa, kamokamo… ilay vehivavy.
Ankoatra izay dia mihalehibe tsy ara-dalàna ny kibony ary misy rà mandeha. Mihamafy tsikelikely ny fandehanan-dra sady mahatsapa fanaintainana amin’ny kibo. Tsy mahatsapa zaza mihetsika ao an-kibo na efa mahatratra 5 volana aza ny fitondrana ilay vohoka. Vao maika lasa maloiloy sy mandoa matetika. Misy amin’ireo vehivavy sasany no lasa misy miakatra ny tosi-drà, mihamahia…
Matetika moa dia miafara amin’ny fahafahan-jaza ny zaza voaloboka. Tsy toy ny afa-jaza mahazatra ny fisehon’izany fa maharitra kokoa, mandeha tsikelikely ary mety ho very rà betsaka ilay vehivavy. Mety mitarika hatrany amin’ny fahafatesana ny « grossesse molaire » raha tara ny fandraisan-tanana. Mila manatona haingana ny mpitsabo ilay vehivavy hitsaboana azy farak'izay malaky. Marihana moa fa ny fanaovana « échographie » mialoha, any amin’ny faha 1 volana sy tapan’ny kibo no hahafantarana fa manao zaza voaloboka ny vehivavy iray.

Ireo antony mety mahatonga ny zaza voaloboka

Maro ireo antony mety mahatonga ny vehivavy iray hanao « grossesse molaire ». Mety ho tratr’izany ny vehivavy iray raha toa ka :
-efa nanao « grossesse molaire » taloha ka tsy voatsabo tsara ;
-tsy voaharaka tsara ny fanaraha-maso taorian'ilay zaza voaloboka ;
-mbola kely loatra na lehibe loatra no miteraka ;
-afa-jaza matetika loatra.

Lire la suite

Articles Similaires