• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moustique
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Tatouage » na tombokavatsa : tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ve ?

05/10/2023 13:57 © Moov.Mg

Efa hatry ny ela no nisy teto amintsika ny « tatouage ». Maro ankehitriny ireo toerana fametahana azy ireny ary samy voasarika amin’izany avokoa na vehivavy na lehilahy, na tanora na lehibe. Tsy misy hatahorana amin’ny fahasalamana ve ny fametahana « tatouage » ? Araho eto ireo mila fantatra mikasika azy ireny.

Ahoana ny fomba fametahana « tatouage » ?

Ny « tatouage » na ny tombokavatsa dia ny fampidirana « pigments colorants » na karazana ranomainty ao anatin’ny hoditra mba ahazoana kisarisary maharitra tsy mety miala. Mba hampidirana izany ranomainty izany eo amin’ny « épiderme » na ilay sosona voalohany eo amin’ny hoditra iny dia tsindrotsindromin’ilay mpametaka « tatouage » amin’ny fanjaitra manokana fanaovana izany eo amin’ny faritra asiana tombokavatsa. Efa ao anatin’ilay fanjaitra moa ilay fangaro misy ranomainty mamoaka ilay kisarikary.

Ireo dingana amin'ny fametahana ny « tatouage »

Misy dingana maro ny fametahana ny tombokavatsa ary mety maharitra ora maro ny fanatanterahana izany miankina amin’ny haben’ny kisarisary na soratra hapetaka amin’ny hoditra. Amin’ny voalohany dia faritana eo amin’ny faritra ametahana ilay « tatouage » ny endriky ny sary na soratra ho atao.
Rehefa vita izay dia miditra amin’ny fametahana ilay tombokavatsa amin’izay. Rehefa vita izay dia diovin’ny « tatoueur » ny faritra nasiana « tatouage » mba hialan’ny loto sy ny mikraoba rehetra mety nipetraka teo. Maharitra andro maromaro vao maina ny ratra kely vokatry ny tsindrona kely be dia be tamin’ny nanaovana ilay tombokavatsa ka mila diovina tsara hatrany izany mandrapaha-maina tanteraka.

Inona no mety ho fiantraikan’ny « tatouage » eo amin’ny fahasalamana ?

Ireo ratra kely nampidirana ny ranomainty teo amin’ny hoditra dia mety hahatonga aretina avy amin’ny « bactéries », indrindra raha tsy nitandrina tsara ny « tatoueur » tamin’ny fahadiovan’ny tanany sy ny fitaovana nampiasainy. Marihana fa mety hamindra aretina mifindra amin’ny alalan’ny rà toy ny VIH, « hépatites »… ihany koa ny fanaovana « tatouage » raha fitaovana nampiasaina tamin’ny olona narary no averina ampiasaina amin’ny olona hafa.
Ankoatra izay dia mety mahatonga « allergie » ny ranomainty ampiasaina amin’izy ireny. Raha izany no mitranga dia mety hangidihidy, hivonto na haratra eo amin’ny faritr’ilay tombokavatsa. Misy ihany ny fanafody ahosotra afaka hampitoniana izany « allergie » izany fa matetika mila esorina tanteraka ilay « tatouage » mba hampijanona izany allergie izany.
Mba hisorohana ireo mety ho vokadratsin’ny « tatouage » ireo dia tsara hatrany ny misafidy « tatoueur » azo antoka sy manaja ny fahadiovan’ny fitaovana ampiasainy. Tsy tokony hanisy azy ireny kosa nefa ireo olona manana aretin-koditra toy ny « eczéma », « psoriasis »… Marihana moa fa efa afaka esorina ny « tatouage » ankehitriny. Misy fomba samihafa hanatanterahana izany, toy ny fanesorana amin’ny alalan’ny « laser ».

Lire la suite

Articles Similaires