• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Foodies
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana pakopako ao an-trano

04/10/2023 17:12 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo ankafizintsika tokoa ny pakopako rehefa ilay mandeha miala-sasatra any Mahajanga iny. Faly ery na ny ankizy na ny lehibe mihinana pakopako miaraka amin’ny masikita sy lasary papay na lasary manga. Azo atao tsara ny mankafy izany sakafo izany ao an-trano. Efa natoro teto ny fanaovana masikita matsiro sy malemy ka ny fanamboarana pakopako indray ary no ho zaraina.

Ireo zavatra ilaina raha hanao pakopako

-lafarina 500g ;
-sira 1 sotrokely ;
-« lait de coco » 1 vera (afaka atao mihoatra kely raha tiana ho re kokoa ny tsiron’ny voanio) ;
-menaka anendasana azy.

Fomba fikarakarana ny nahandro

Araraka eo ambony latabatra ny lafarina dia lavahana eo afovoany. Araraka ao anatin’ilay lavaka ny « lait de coco » na rononom-boanio. Ny antsasany aloha no araraka. Asiana sira dia avy eo afangaro tsikelikely. Volavolaina hatrany mba hahazo « pâte » enjana sy malama.
Azo ampiana lafarina hatrany raha toa ka mbola miraikidraikitra ny pâte. Tapohana rononom-boanio kely kosa raha tsy mitambatra tsara. Rehefa hita fa mety tsara ny « pâte » dia volavolaina atao boribory. Avela hilona manditra ny ora iray eo na mihoatra kely.
Rehefa vita izay, dia maka « pâte » kely dia volavolaina atao boribory amin’ny tanana. Avy eo kosehina amin’ny “rouleau à pâtisserie” na amin’ny tavoahangy ho fisaka manify tsara.

Ny fomba fandrahoana azy

Afanaina ao anaty lapoaly jobo ny menaka. Atao betsaka tsara ny menaka ary endrasana mafana tsara vao endasina ny pakopako. Rehefa mibontsina dia masaka izy izay.

Lire la suite

Articles Similaires