• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sublime Ton Blond
Image
Fahasalamana&Sakafo

Vehivavy tera-bao mihintsam-bolo : tokony misy atahorana ve ?

04/10/2023 16:39 © Moov.Mg

Maro tokoa ny vehivavy tera-bao no mihintsam-bolo. Misy amin’izy ireny no voatery manapaka ny volony ho fohy mihintsy noho izy ireo miongotra be loatra ka lasa manify kely. Fa inona no antony mahatonga ny vehivavy tera-bao mihintsam-bolo ary inona no vahaolana azo aroso amin’izany ?

Ireo antony mahatonga ny vehivavy tera-bao mihintsam-bolo

Mety samy ho tratr’izany fihintsanan’ny volo izany avokoa ny olona rehetra, na lehilahy na vehivavy. Maro tokoa ireo antony mety mahatonga ny volo hihintsana na hiongotra. Anisan’izany ny rarin-tsaina, ny fikorontanan’ny « hormones », ny fiovan’ny toetr’andro, ny fampiasana « produits » tsy zakan’ny hodi-doha, ny tsy fahampiana otrik’aina iray ilain’ny vatana (carence)…
Mety ho tratran’izany fihintsanan’ny volo izany kokoa ny vehivavy tera-bao. Rehefa bevohoka tokoa mantsy ny vehivavy dia mitombo ny famokaran’ny vatany ny « hormones » mandrisika ny fanirin’ny volo sy ny fanamafisana ny hoho. Rehefa teraka izy dia mihena izany « hormones » izany ka izay no mampihintsana ny volo. Mety ho tratry izany avokoa na ny vehivavy mampinono na tsia. Tsy dia mihintsana kokoa nefa ny volon'ny mpampinono raha oharina amin'ny tsy mampinono satria miova tsikelikely ny « hormones » ao amin'ny vatan'ny mpampinono fa tsy tampoka be.
Arakaraky ny toe-batan’ny vehivavy tera-bao kosa nefa ny habetsahan’ny volo mihintsina. Raha toa ka misy « carence » ao amin’ny vatan’ilay vehivavy dia mety hiongotra be ny volony ka mety lasa manify kely na hisy faritra sola mihintsy. Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony misy atahorana loatra nefa izany fihintsanan’ny volo rehefa tera-bao izany satria toe-javatra mandalo ihany. manomboka mihintsana ny volo rehefa feno 1 volana na 3 volana ny zaza ary mitsahatra izany rehefa feno 1 taona eo ho eo izy. Finonoam-poana noho izany ilay hoe tsy mahazo mibango volo na manasa volo rehefa avy niteraka fa mampihintsam-bolo.

Ahoana no atao mba tsy hihintsanan'ny volo be loatra ?

Misy ireo torohevitra azo arahana mba hisorohana ny fihintsanan’ny volo be loatra ho an’ireo vehivavy tera-bao :
-Karakaraina tsara hatrany ny volo mandritra ny fitondrana vohoka sy rehefa teraka. Izany hoe sasana tsara, asiana « masque », manao « bain d’huile » raha ilaina… ;
-Tsy mampiasa « shampoing » na « produits » tsy zakan’ny volo sy ny hodi-doha. Tsara kokoa raha vokatra natoraly tsy misy akora simika no ampiasaina ;
-Rehefa mihogo volo dia hatomboka avy aty ambany izay vao miakatra tsikelikely mba hanesorana ny mifandimpadimpatra ;
-Hogoina hatrany ny volo, eny na dia maro aza no mihintsana ;
-Mihinana sakafo be « vitamine B », « acides aminés », « souffre », « sélenium » sy « zinc ». Ireo mantsy no manampy amin'ny fanamboarana sy fanamafisana ny volo. Anisan’ny sakafo tsara hoanina ny totom-boanjo, atody, tsaramaso, « choux fleurs », « sésame », « épinard », « aty sy aranan'akoho » ... Tsy adinoina ny misotro rano be ary ny mihinana voankazo sy legioma.

Lire la suite

Articles Similaires