• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Charlie Birdy
Image
Fahasalamana&Sakafo

Miharatra volombava : tena ilaina ve ny mampiasa « Mousse à raser » ?

04/10/2023 10:13 © Moov.Mg

Rehefa miharatra volombava ny lehilahy, indrindra moa ry zareo vahiny, dia mampiasa « mousse à raser ». Tena ilaina tokoa ve ny fampiasana azy ireny sa haitratra fotsiny ihany ? ‘Ndeha ho resahana eto ny ilaina ny « mousse à raser » sy ireo torohevitra tsara arahina rehefa miharatra volombava.

Inona no antony ampiasaina « mousse à raser » rehefa miharatra volombava ?

Maro tokoa ny lehilahy no misafidy ny miaratra volombava. Mety noho ny fikolokoloana ny endrika izany na ihany koa nohon’ny tsy fitiavana azy ireny fotsiny ihany. Rehefa aratana amin’ny hareza nefa ny volombava dia vao maika mihabetsaka sy mihamatevina. Rehefa mitsiry izy ireny dia lasa somary mafimafy sy matsilotsilo. Tsy vitsy ireo lehilahy manana hoditra malemy sy malefaka ka mahatsiaro fanaintainana na koa maratra mihintsy ny hodi-tava rehefa miaratra.
Ny fampiasana « mousse à raser » dia miaro amin’ireo vokatry ny fiharatana amin’ny hareza ireo. Ny ankamaroan’ny « mousse à raser » dia ahitana singa mampalefaka ny hodi-tava sy manamora ny fiharatana ny volombava. Misy amin’izy ireny ihany koa no misy singa manamandina ny hoditra ka miaro azy tsy ho makiana sy ho simba aorian’ny fampiasana hareza. Ny lehilahy manana hodi-tava malemy sy mora maratra izany no tena mila mampiasa « mousse à raser ».
Ho an’ireo tsy manana olana amin’ny hodi-tava dia azo atao ny mampiasa savony tsotra atao mandroatra tsara rehefa miharatra volombava. Mila mitandrina tsara kosa rehefa miharatra mba tsy haratra, indrindra raha mbola vaovao sy maranitra be ny hareza ampiasaina. Tsara ihany koa raha mampiasa « produits hydratant » na mampalandina ny hoditra rehefa avy miharatra.

Ireo torohevitra tsara arahana rehefa miharatra volombava

Maro ny lehilahy no nitsahatra tsy niharatra volombava intsony satria mahatsiaro hoe marary, mandratra, manimba hoditra… ny fanaovana izany. Azo atao tsara nefa ny misoroka na mampihena ireny lafy ratsin’ny fiharatana amin’ny hareza ireny rehefa mahay miharatra tsara.
-Voalohany aloha dia diovina amin’ny rano mafana ny hodi-tava mba hanomanana azy amin’ny fiharatana. Ny rano mafana dia mampisokatra ny maso-koditra ka misoroka ny mony sy ny volo tsy mivoaka (poils incarnés) rehefa mitsiry ny volombava ;
-Manarak’izay dia ahosotra « mousse à raser ». Ahontsana tsara ny fitoeran’ity farany ary atsifitra eo amin’ny felatanana. Atao mihosotra tsara eo amin’ny faritra rehetra misy volombava ho haratana ;
-Rehefa miharatra dia atao manaraka ny fitodiky ny fanirin’ny volombava ny fampiasana ny hareza. Raha tiana atao tena malama ny hodi-tava dia afaka averina fanindroana ny fiharatana. Hosorana « mousse à raser » fanindrony vao atao izany ;
-Rehefa vita izay dia kobanina amin’ny rano matimaty ny tarehy mba hanesorana ireo ambina « mousse » sy volombava tavela. Aorian’izay dia kobanina amin’ny rano mangatsiaka indray mba hampitony ny hoditra sy hampikatona ny maso-koditra ;
-Fadiana ny mamafa ny hodi-tava rehefa avy niharatra volombava. Somary atao petapetahana amin’ny lamba (serviette) madio fotsiny ihany mba ho maina. Raha azo atao dia mampiasa ireny « soin après-rasage » ireny mba hampitoniana ny hodi-tava taorian’ny fandalovan’ny hareza.

Lire la suite

Articles Similaires