• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana bajia voanemba

03/10/2023 17:05 © Moov.Mg

Anisan’ny nahandro azo atao tsakitsaky na atao laoka ny bajia voanemba. Karazana nahandro avy any amin’ny nosy Kaomoro moa izy ity ary « badjia » no fiantson’ireo kaomorianina azy. Nohon’ny tonga teto amintsika moa izany nahanadro izany dia somary nisy fiovana ka lasa bajia voanemba araky ny fahafantarantsika azy. Atoro eto ary ny fomba fikarakarana izany.

Ny zavatra ilaina raha hanao bajia voanemba

-Voanemba ;
-sakamalaho ;
-poarao (poireaux) ;
-tongolo gasy ;
-carry ;
-sira ;
-dipoavatra ;
-menaka hanendasana azy.

Fomba fikarakarana ny nahandro

Lomana ao anaty rano mandritra ny alina tontolo ny voanemba. Izany dingana izany dia mba hampalemy azy ireo ka hahamora ny fanamasahana ny nahandro. Atao betsaka tsara ny rano handomana ny voanemba mba ho vonton’ny rano tsara izy ireo.
Rehefa maraina ny andro dia tsihifina tsara ireo voanemba avy nalona rano ary totoina ao anaty « mixeur » na laona. Totoina atao potika tsara toy ny « purée ». Tsy avela misy faikany mivaingambaingana.
Arotsaka ao anatin’ny voanemba voatoto ny sira, ny carry, ny dipoavatra sy ny sakamalaho voakiky.. Tetehana madinika ny poarao ary arotsaka sy afangaro amin’ny voanemba. Ny poarao dia mampitombo ny tsiro sy manome « texture » somary mikarepoka ny bajia.
Volavolaina tsikelikely araka izay endrika tiana, na boribory fisaka, na lavalava ny fangaro. Afanaina tsara ny menaka anaty lapoaly ary endasina ny bajia. Avadibadika mba samy ho mendy ny ambadika sy ny ambadika.
Fanamarihana : Afaka asiana atody, lafarine kely, na toto-kena na izay akora hafa tiana ny fangaro. Tandremana tsy atao betsaka loatra ny menaka hanendasana.

Lire la suite

Articles Similaires