• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Tandremo fa mahafaty ny aretina pesta !

03/10/2023 14:12 © Moov.Mg

Aretina efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ny « pesta ». Mbola ahitana ity trangan’aretina ity tokoa eto Madagasikara ary saika miseho isan-taona izany. Azo sokajiana ho areti-mandoza tokoa ny pesta noho izy mora miparitaka ary mety mahafaty raha tsy voatsabo haingana. Inona no tokoa moa ny aretina pesta ? Ahoana ny fisehon’izany ary inona no fitsaboana sy fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe aretina pesta ?

Ny pesta dia aretim-boalavo mifindra amin’ny olombelona. Amin’ny alalan’ny kaikitry ny parasy mitondra ny tsimok’aretina (Yersinia pestis) no fomba fifindrany. Izany hoe, rehefa avy nanaikitra voalavo voan’ny pesta ny parasy iray dia mitondra ilay tsimok’aretina. Io parasy io indray avy eo no manaikitra olombelona ka mamindra amin’ity farany ny aretina pesta. Misy karazana roa samy hafa moa ny aretina pesta.
Ny voalohany dia ny « pesta atoditarimo » na ilay atao hoe « peste bubonique ». Avy amin’ny kaikitry ny parasy mitondra ilay otrik’aretina no ahazoana io aretina io. Ny karazany faharoa dia ny « pesta aretin-tratra » na ilay antsoina hoe « peste pulmonaire ». Ity farany moa dia vokatry ny fihitaran’ny pesta atoditarimo tsy voatsabo ka lasa mihanaka any amin’ny rà ary mahatratra ny avokavoka. Mety mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora amin’ny olona samy olona ny pesta areti-tratra ary mora mihanaka raha tsy voatsabo.
Fotoanan'ny pesta ny vanim-potoanan'ny main-tany satria mirongatra ny doro tanety. Miakatra an-tanàna avokoa ireo voalavo, nefa misy amin'izy ireny no efa marary. Ny parasy nefa dia mety miraikitra sy misitrika anaty akanjo ka entin'ny marary mandehandeha (mandeha bus ohatra), indrindra raha mbola tsy mahafantatra ny aretiny ilay olona.

Ahoana ny fomba fisehon’ny aretina pesta ?

Samy manana ny fomba fisehony na ny soritr’aretiny ireo karazana aretina pesta.

Ny pesta atoditarimo (peste bubonique) :

Afaka andro vitsivitsy aorian’ny kaikitry ny parasy mitondra ny otrik’aretina dia toy izao no soritr’aretina mety hitranga: harerahana, fanaviana ary fisian’ny atoditarimo (fivontosana manaintaina) miforona eny amin’ny foto-pe, helika ary foto-tenda, arakaraky ny faritra amin’ny vatana voakaikitry ny parasy mitondra ny tsimok’aretina. Miankina tanteraka amin’ny kaikitry ny parasy ny fiparitahan’ity endriky ny pesta ity.

Ny pesta aretin-tratra (peste pulmonaire) :

Raha mihitatra any amin’ny rà ary mahatratra ny avokavoka ny pesta atoditarimo dia mivadika pesta aretin-tratra. Ity farany dia miseho amin’ny alalan’ny fahasemporana, kohaka, ary rehoka misy rà. Sarotra tsaboina tokoa ity endriky ny aretina pesta ity ary raha mety mahafaty ao anatin’ny 3 andro monja.

Ahoana ny fomba fitsaboana ny aretina pesta ?

Mora mihanaka ao amin’ny vatana ny aretina pesta ary mahafaty anatin’ny andro vitsivitsy raha tsy voatsabo mialoha. Noho izany dia laharam-pahamehana ny manatona toeram-pitsaboana raha vao mitranga ny soritr’aretina, na misy mampiahiahy. Marihana moa fa mora tsaboina ny pesta raha voatily ara-potoana ary raha voahaja avokoa ny toromarika omen’ny mpitsabo. Maimaim-poana ny fitsaboana izany aretina izany eto Madagasikara.

Ny fepetra mila arahina mba hiadiana amin’ny pesta

Tsy ny parasy rehetra no mamindra ny aretina pesta fa ny parasim-boalavo irery ihany. Ny fomba voalohany hiadiana amin’ny pesta noho izany dia ny fanalavirana sy ny famongorana ny voalavo tsy hiakatra an-tanàna. Mba hahatongavana amin’izany dia :
-Diovina tsara hatrany ny trano ary dorana na ariana amin’ny fitoerana sahaza azy ny fako sy ny poti-kanina fa tsy aparitaka ;
-Esorina ny lobolobo sy rano miandrona manodidina ny tanàna;
-Fandrihana amin’ny alalan’ny vovo na lakaoly ny voalavo fa tsy mampiasa totam-boalavo ;
-Dorana velona ny voalavo rehefa tratra (mba tsy hiparitahan'ny parasy) ;
-Fadiana ny mandoro tanety mba tsy hiakaran'ny voalavo any an-tanàna.

Ahoana no atao raha misy olona matin'ny pesta ?

Mba tsy iparitahan'ny aretina, tsara raha fonosina avy hatrany ny razana ary tsy andrasana ao an-trano intsony. Tsy tokony ampidirina anaty fasana ny razana fa atao anaty vata ka alevina anirotra. Misy mihitsy ireo mahavita fasana tsotsotra mba tsy hikitihana ny razana raha sendra misy famadihana amin'ny hoavy. Mila diovina tanteraka ny trano izay nandray ny marary, ka tsara aza raha dorana izay akanjo sy lamba nanaovan'ilay maty nandritra ny aretina.

Lire la suite

Articles Similaires