• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Expirata
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana ronono soja ao an-trano

02/10/2023 16:54 © Moov.Mg

Akora iray mitondra tombontsoa maro ho an’ny fahasalamana ny soja. Ahitana « protéines », « fibres », kalsioma, « antioxydant »… ao aminy. Maro ireo karazana sakafo azo amboarina amin’ny alalan’ity akora ity ka ny fanaovana ronono soja ary no ‘ndeha ho zaraina eto indray.

Ireo zavatra ilaina raha hanao ronono soja

-Soja vaoniny 1 kapoaka ;
-rano 3,5 l ;
-milina famotehana (mixeur) ;
-vilany ;
sivana (passoire) na lamba voaly manify.

Fomba fanamboarana ronono soja

Alona amin'ny rano mandifotra azy ny soja vaoniny maina 1 kapoaka. Afaka atao be rano tsara mba hamandoana azy mandritra ny alina tontolo na koa hoe mandritra ny adiny 12 ora eo ho eo.
Rehefa maraina dia hita fa somary nitombo ny haben’ny soja ka lasa mitovitovy habe amin’ny tsaramaso izany. Esorina ao anatin’ilay rano nandomana azy ireo soja ary averina kobanina indray mandeha.
Rehefa vita izay dia tsihifina ary voasana tsirairay ilay soja mba hiala ilay hodiny mafy iny. Aorian’izay dia arotsaka ao anaty milina famotehana (mixeur) ary araraka ao ny rano sahaza izay tokony hanodinana azy. Azo averimberina totoina hatrany mba ho potsitra tsara ilay soja.
Atokana ao anaty koveta kely ary tapohana ao avokoa ny ambon’ny rano 3,5 litatra nomanina. Vita izay dia sivanina ny ronono soja ary fihazana tsara ilay sivana na voaly. Alaina indray ny vilany ary arotsaka ao ny ronono soja mandroatra be iny.
Tenehana amin'ny afo mandritra ny 25 minitra ary tsy esorina ilay raotrany avy anaty milina iny fa miala ho azy eo ampangotrahana azy. Rehefa vita kosa ny ronono dia esorina ilay ditiny mandry amboniny iny na songon-dronono.

Lire la suite

Articles Similaires