• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medisite
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fitondrana vohoka : fantaro ny atao hoe « déni de grossesse »

02/10/2023 14:57 © Moov.Mg

Tena misy tokoa ve izany hoe vehivavy tsy mahafantatra hoe bevohoka raha tsy efa ho teraka ? Ny valiny dia eny. Manao « déni de grossesse » no ilazana azy ireny ary maro tokoa no vehivavy manao izany. Fa inona tokoa ny atao hoe « déni de grossesse » sy ny antony mety mahatonga izany ?

Inona no atao hoe « déni de grossesse » ?

Ny vehivavy tsy mahafantatra, tsy tonga saina na tsy mino hoe mitondra vohoka no atao hoe manao « déni de grossesse ». Noho izany antony izany dia lasa manao kibo an-damosina ilay vehivavy. Izany hoe tsy fantatra na tsy eken’ny sainy hoe mitoe-jaza izy ka lasa tsy misy fambara na fomba ahitana ivelany hoe bevohoka tokoa.
Misy vehivavy sasany rehefa manomboka feno 3 volana sy tapany ny kibony (14SA) vao tonga saina izy hoe bevohoka. Raha izany no mitranga dia tsy mbola azo lazaina hoe manao « déni de grossesse » izy fa toe-javatra ara-dalàna ihany izany. Ny vehivavy bevohoka tsy mahalala hoe bevohoka mihoatra ny 3 volana sy tapany nitondrany vohoka no atao hoe manao « déni de grossesse ». Misy amin’izy ireny no tsy mahalala raha tsy efa ho teraka mihintsy.

Ahoana ny fomba fisehon’ny « déni de grossesse » ?

Ny vehivavy bevohoka manao « déni de grossesse » dia tsy hita mihintsy hoe mitondra vohoka. Manao kibo an-damosina izy, izany hoe tsy mitombo ny haben’ny kibony mandritra ny fitondrany vohoka, izy tsy mitombo lanja. Misy aza ireo mihena mihintsy. Rehefa manao « déni de grossesse » ny vehivavy bevohoka dia miafina ao ambadiky ny taolan-tratra (côtes) ny zaza ka izay no tsy mampitombo ny kibon’ilay vehivavy.
Satria moa tsy fahafantarana na tsy faneken’ny saina ny fitondrana vohoka ny « déni de grossesse » dia manjary foanan’ny saina sy ny vatana tanteraka ireo fambara rehetra mahabevohoka azy. Izany hoe tsy misy ireo fambara mahazatra toy ny hoe maloiloy, fanimpanina, mandoa, marary ny lohanono, tsy mitombo ny kibo… Mety hisy rà handeha izay heveriny ho fadimbolana ihany koa ilay vehivavy. Tsy maheno zaza mihetsika ao an-kibo ihany koa izy fa afangarony amin’ny aretim-bavony na rivotra izany fihetsehan’ny zaza izany.
Marihana fa toy ny fitondrana vohoka rehetra dia hita amin’ny alalan’ny « test de grossesse », « échographie » sy ny fitsapana ny vozon’ny tranon-jaza ataon’ny rasazy ny « déni de grossesse ». Raha vantany vao mahafantatra sy manaiky ho mitondra vohoka tokoa ilay vehivavy manao « déni de grossesse » dia mihalehibe tampoka, ao anatin’ny ora vitsy, ny kibony. Mipoitra ihany koa ireo fambara rehetra.

Inona no antony mahatonga ny « déni de grossesse »

Maro ireo antony mety mahatonga ny vehivavy iray manao « déni de grossesse », anisan’izany ny :
-Fiheverany ny tenany ho momba (tsy miteraka) ;
-Fitondrana vohoka tao aorian’ny fanolanana ;
-Fitondrana vohoka tao aorian’ny « traumatisme » vokatry ny fahafahan-jaza na tsy fahazoana zaza ka mihevitra izy hoe tsy mahavanon-jaza ;
-Fitondrana vohoka aloha loatra tao aorian’ny fiterahana na ilay atao hoe koso-maina.

Lire la suite

Articles Similaires