• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Vernis permanent » : ireo mety ho vokadratsin’ny fanaovana azy ireny

01/10/2023 09:04 © Moov.Mg

Efa malaza ary tena miroborobo eto amintsika tokoa ny fametahana « vernis permanent ». Maro tokoa ny vehivavy sodokan’izy ireny noho izy manome endrika tsara ny hoho sady tsy mora miala. Tandremo nefa fa misy ihany koa ny vokadratsy ateraky ny fanaovana « vernis permenant », araho eto ‘nge e !

Ireo mety ho fiantraikany amin’ny fahasalamana

Ny « produits » ampiasaina amin’ny fanaovana « vernis permanent » dia mety mitahiry singa « toxiques » na hoe manampoizina toy ny « toluène », « formaldéhyde » sy ny « camphre ». Mety hanimba ny hoditra sy ny hoho ary mety hahatonga « allergies » ireo singa voalaza ireo.
Mampiasa « lampe chauffante » ihany koa ny fanamainana ny « vernis permanent ». Mety hitarika vokadratsy ho an’ny fahasalamana, indrindra ny fahasalaman’ny hoditra, nefa ny fampiasana ireny karazana fitaovana mamoaka hafanana avy amin’ny « rayons UV » ireny.

Ireo mety fiantraikany eo amin’ny hoho

Mety mampalemy sy manimba ny hoho ny fanaovana « vernis permanent ». Marihana tokoa fa tsy miala ho azy ireny karazana « vernis » ireny fa mila miverna eny amin’ny toerana nametahana azy rehefa esorina. Misy fomba manokana moa fanalàna azy ireny, izay indraindray mila fikikisana ny hoho. Mazava ho azy fa lasa mihamanify sy mora tapaka ny hoho rehefa kikisana matetika.
Misy ihany koa « dissolvant spécial » afaka hanalana azy ireny. Satria moa mahery ny akora ao amin’izany karazana « dissolvant » izany dia mety hanimba ny hoho ihany koa ny fampiasana azy. Ankoatra izay dia tsy afaka miaina malalaka ny hoho nosorana « vernis permanent » noho ity farany matevina sy mijanona ela (herinandro maro) eo ambonin’ny hoho.

Ireo torohevitra hisorohana ny vokadratsin’ny fanaovana « vernis permanent »

Fomba fikarakarana ny endriky ny hoho maro mpankafy tokoa ny « vernis permanent » noho izy mahafinaritra jerena sy tsy mora miala. Mila fitandremana kosa nefa ny fanaovana azy ireny noho ireo vokadratsy mety aterak’izany. Ireto manarak’ireto ary misy torohevitra tsara arahana alohan’ny hanaovana « vernis permanent » :
-Any amin’ny « salon de manucure » mampiasa vokatra azo antoka no aleha ;
-Avela hijanona kely tsy misy « vernis » mandritra ny andro maromaro ny hoho rehefa avy nesorina ny « vernis permanent » ;
-Karakaraina tsara ny hoho eo anelanelan’ny fotoana nanesorana vernis permanent sy ny hametahana vaovao indray ;
-Mangataka amin’ny mpanala ilay vernis mba tsy ho kikisana be loatra ny hoho rehefa hanala izany ;
-Mety manampy amin’ny fiarovana ny hoho ihany koa ny fametahana « gainage » eo amin’ny hoho alohan’ny hanaovana vernis permanent ;
-Raha manana hoho malemy sy mora tapaka dia tsara raha tsy manao vernis permanent.

Lire la suite

Articles Similaires