• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vinci Autoroutes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ilaina tokoa ve ny manao « sieste » na ilay matory antoandro kely iny ?

01/10/2023 10:10 © Moov.Mg

Matetika dia ny zaza sy ny ankizy no atao manao « sieste » na ilay fotoana kely hatoriana amin’ny atoandro iny. Ilain’ny lehibe ihany koa nefa ny manao izany satria manampy ny vatana sy ny saina hanovo hery vaovao ny fanaovana « sieste ».

Inona avy ireo vokatsoa azo amin’ny fanaovana « sieste » ?

Maro tokoa ireo vokatsoa azo avy amin’ny fanaovana « sieste » na ny fatoriana kely amin’ny atoandro. Anisan’izany vokatsoa izany ny :
-Fanatsarana ny fifantohana ;
-Fampitomboana fahavitrihana, indrindra ho an’ireo olona miasa ;
-Fampihenana ny rarin-tsaina sy ny tebiteby ;
-Fanatsarana ny fitadidiana sy ny fahafahana mianatra zava-baovao ;
-Fanamafisana ny hery fiarovana eo amin’ny vatana ;
-Fampihenana ny « risque » ahazoana aretin’ny fo sy ny fahatapahan’ny lalan-drà ;
Raha ho an’ny ankizy manokana dia manampy amin’ny fivelaran’ny saina sy ny fitomboan’ny vatana ny fanaovana « sieste ». Arak’ireo voalaza teo aloha dia ilain’izy ireo tanteraka eo amin’ny sehatry ny fianarana sy ny fiainana andavan’andro ny fatoriana atoandro.

Ahoana no fomba fanaovana « sieste » ?

Tsy voatery mitondra vokatsoa hatrany ny fatoriana atoandro na ny fanaovana « sieste », indrindra raha tsy manatanteraka izany araka ny tokony ho izy. Ireto ary misy torohevitra vitsy tsara arahana rehefa manao « sieste » :
-Misafidy toerana maizimaizina ary tsy misy tabataba rehefa hanao « sieste » ;
-Tsy atao latsaky ny 10 minitra ary tsy mihoatra ny 30 minitra ny fotoana hatoriana atoandro ;
-Tsy misotro kafe na zava-pisotro misy alkaola alohan’ny hitsotsorana.

Lire la suite

Articles Similaires