• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Topsante
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ny mahatonga ny takodimena sy ny fitsaboana izany

29/09/2023 11:17 © Moov.Mg

Misy mibontsina kely manaintaina sy mivaramena ve eo amin’ny hodimasonao ? Fantaro fa mety ho takodimena ny mahazo anao. Inona no atao hoe takodimena sy ny antony mahatonga izany ? Ahoana no fomba atao hitsaboana azy ireny ?

Inona no atao hoe takodimena ?

Ny takodimena, antsoina hoe « orgelet » amin’ny teny frantsay, dia « infection bactérienne » iray mandalo eo amin’ny foton’ny volomaso (cil) singany iray. Tsy azo afangaro amin’ilay atao hoe « chalazion » moa ny takodimena satria tsy mipoitra eo afovoan’ny hodimaso mihintsy ity farany fa eo amin’ny sisiny ihany. Anisan’ny « infection » mpahazo ny hodimaso fahita matetika ny orgelet.
Avy amin’ny karazana bakteria atao hoe « staphylocoque » no mahatonga azy. Tsy mifindra ny takodimena ary ny olona tia mikosokosoka maso, marefo ny hery fiarovana… matetika no tratr’izany. Na tsy misy atahorana loatra aza ny takodimena dia mety manelingelina sy manaintaina tokoa ny fisian’izy ireny.

Ahoana no fomba fisehon’ny takodimena na « orgelet » ?

Mora fantatra matetika ny takodimena. Anisan’ireo fambara ahafantarana izany ny :
-Fiforonana toy ny mony kely menamena na fivontosana kely eo amin’ny sisin’ny hodimaso ;
-Fisian’ny lohany fotsifotsy kely feno nana eo amin’ilay mony rehefa elaela ;
-Fanaintainana eo amin’ny foton’ilay volomaso ;
-Fivontosan’ny hodimaso ;
-Fahatsapana mangidihidy eo amin’ny maso ;
-Fahatsapana toy ny misy zavatra manelingelina amin’ny fahitana.
Mety hahatsikaritra toy ny misy nana ihany koa ao amin’ny maso na koa hoe mahatsapa toy ny misy zavatra tafiditra ao anaty maso.

Ahoana ny fitsaboana ny takodimena ?

Amin’ny ankabopeny dia tsy mila fitsaboana ny takodimena fa afaka ho azy afaka fotoana vitsy, rehefa vaky ilay nana ao anatin’ilay mony kely. Azo atao ny mametraka « compresse » nolemana kely tamin’ny rano matimaty eo amin’ny hodimaso mba hampitony ny fanaintainana sy hahavaky haingana kokoa ilay takodimena. Tandremana kosa nefa mba tsy ho kitihana amin’ny tanana, kosokosehina na hiniana vakiana izany.
Raha toa ka tsy sitrana ao anatin’ny herinandro ny takodimena dia mila manantona mpitsabo. Ity farany no manome ny fanafody hitsaboana izany. Mety mila fandidiana ihany koa ny orgelet raha tsy mety afaky ny fanafody.

Lire la suite

Articles Similaires