• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana « gratin de choux fleur à la charcuterie »

29/09/2023 09:05 © Moov.Mg

Anaty vanim-potoana fahavokaran’ny « choux fleur » isika amin’izao. Mora tokoa izy ireny eny an-tsena ary maro ireo nahandro matsiro afaka karakaraina amin’izany. Ny « gratin de choux fleur à la charcuterie » ary no andeha ho atoro eto ny fomba tsotra hikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « gratin de choux fleur à la charcuterie »

-« choux fleur » 1 lehibe ;
-« charcuterie » 250 g (afaka atao isan-karazany fa 250g ny fitambarany) ;
-fromazy voakiky 250 g ;
-fromazy malemy 150 g (tsy voatery asiana azy io) ;
-« sauce béchamel » : Ronono 500ml, Lafarinina 50g, Dibera 50g ;
-chapelure ;
-sira, dipoavatra...

Ireo dingana amin’ny fikarakarana

-Dingana voalohany : tetehana atao mahazo toy ny « bouquets » kely ny choux fleurs. Mampangotraka rano nasiana sira kely ary atsoboka ao mandritra ny 10 minitra ny choux fleurs voatetika. Rehefa vita izay dia esorina ambony afo ary arotsaka ao anaty « passoire ». Tondrahana amin’ny rano mangatsiaka ireo choux fleurs mba hijanona ny fahamasahany. Aorian’izay dia tsihifina tsara mba tsy hitera-drano.
-Dingana faharoa : miditra amin’ny fanamboarana « sauce béchamel ». Atsonika anaty vilany eo ambony afo malefaka ny dibera. Arotsaka ny lafarina ary afangaro hitambatra tsara. Rehefa mahazo loko somary volontany dia arotsaka tsikelikely ny ronono. Tsy azo ajanona afangaro mba tsy hiraikitra amin’ny vody vilany ilay fangaro. Rehefa afangaro elaela dia mihamatevina ny sauce. Asiana sira sy dipoavatra araka izay tiana. Azo ampiana fromazy voakiky kely ihany koa hampatsiro azy tsara.
-Dingana fahatelo : Tetehana somary madinika ny charcuteries (azo atao « en dés » na lavalava manify). Alahatra ao anaty « moule à gratin » ny choux fleurs voatetika. Araraka eo amboniny ny charcuteries, alahatra eo ihany koa ny fromazy malemy voatetika. Manarak’izay dia araraka mandrakotra ireo fangaro ny sauce béchamel. Aorian’izay dia afafy eo ambony ny fromazy voakiky, avy eo ny chapelure.
-Dingana fahaefatra : Andrahoina ao anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 35 minitra ny nahandro. Afaka ampiana kely izany faharetan’ny fahamasahana izany raha toa ka mbola somary mandranoka ilay gratin de choux fleur à la charcuterie. Rehefa vita dia tsara raha haroso mafana !

Lire la suite

Articles Similaires