• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Carre De Blog
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanokafam-bavony mafana : fomba fikarakarana « courgettes farcies »

28/09/2023 19:13 © Moov.Mg

Maro amintsika no mitady fanokafam-bavony miavaka amin’ny mahazatra rehefa andro fety na rehefa alahady ny andro. Ny fomba fanaovana « courgettes farcies » indray ary no ‘ndeha ho arahantsika eto.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « courgettes farcies »

-Courgettes 6 (atao ilay somary kelikely noho izy ireny tsy mitera-drano be loatra) ;
-Toton-ken’omby 250g ;
-Toton-kenan-kisoa 250g ;
-Sauce soja ;
-Fromazy 150g ;
-« Chapelure » ;
-Sira ;
-Dipoavatra ;
-Tongolo gasy ;
-Menaka.

Fomba fikarakarana

Andrahoana mandritra ny 10 minitra eo ho eo ny « courgettes » efa voasasa. Tsy atao masaka be. Avela hangatsiaka, avy eo zaraina roa amin’ny halavany. Manarak’izay, esorina amin’ny sotrokely ny ao anatiny. Afangaro tsara ny toton-kena rehetra, ny sira, ny dipoavatra, ny tongolo gasy voakiky, ny menaka 2 sotro fihinanana, ny sauce soja ary ilay atin’ny « courgettes ».
Rehefa vita izay dia asesika ao anatin’ny silaky ny courgettes tsirairay io « farce » io. Aorian’izay dia rarahana fromazy voakiky avy eo chapelure ny courgettes farcies tsirairay avy. Andrahoina ao anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 45 minitra. Rehefa masaka dia aroso mafana.
Ny fikarakarana fototra ny courgettes farcies moa io nozaraintsika io. Azo atao tsara kosa nefa ny mampiasa fangaro hafa, arakaraky ny faniriana sy ny fahafahana. Ny toton-kena azo soloina potin’akoho na hazan-dranomasina na « charcuteries ». Afaka mampiasa voatabia, zava-maitso…sy izay fangaro hafa mampisy tsiro ny nahandro ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires