• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cerjep
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fiankinan-doha amin’ny loka : fomba atao hialana amin’izany

28/09/2023 17:37 © Moov.Mg

Maro tokoa ny olona manana olana amin’ny fiankinan-doha amin’ny loka. Tsy vitsy amin’izy ireny no very fananana, misara-bady, voahiliky ny namana sy ny havana noho izany fitiavana loka izany. Azo atao tsara ny miala amin’izany fiankinan-doha amin’ny loka izany. Toy izao manaraka izao ireo dingana sy torohevitra tsara arahina amin’izany.

Mila manaiky fa manana olana amin’ny fiankinan-doha amin’ny loka

Raha te hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny loka ny olona iray dia mila manaiky aloha ny sainy hoe manana izany olana izany izy. Mety ho sarotra ny miaiky izany satria mety hahatsiaro fahamenarana ilay olona ka mandaha hatrany ny sainy hoe tsy miankin-doha izany izy fa mba miala voly fotsiny ihany. Miainga amin’ny faneken’ny saina nefa hoe tsy mahazo aina tokoa raha tsy miloka, eny na dia efa betsaka aza ny vola sy fananana very tamin’izany.

Mitady fanampiana

Ny fiankinan-doha amin’ny zavatra iray, na loka io na zava-mahadomelina, dia olana iray miainga ao amin’ny saina. Sarotra noho izany ny miala irery amin’izany ka mila manantona mpitsabo manana traikefa manokana mikasika ny fiankinan-doha na manantona olona efa afaka tamin’ny fiankinan-doha tamin’ny loka. Ho an’ireo misafidy ny hanaraka fitsaboana matetika dia ampiarahana ny fanafody sy ny « thérapie de soutien » hitsaboana ilay fiankinan-doha.

Manova ny fomba fiainana

Ankoatra ny fanarahana ireo torohevitra fanampiana na ny fitsaboana dia mila manova fomba fiainana ny olona maniry hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny loka. Matetika dia mila ovaina tanteraka ireo fahazarana, namana na tontolo nahazatra izay mety mampatsiahy ilay filàna na fitiavana miloka. Mila mitady fialamboly na zavatra mahafinaritra ny saina ihany koa mba hanadinoana ilay faniriana te handeha hiloka.

Tsy miraviravy tanana

Mila finiavana, fotoana ary faharetana ny fialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny loka. Tsy moramora tokoa ny ahatongavana amin’izany ary indraindray ary mety tsy hahatohatra ny fakam-panahy ka miverina mandeha miloka indray na dia efa afaka kely aza. Izany anefa tsy atao hahakivy sy hampiraviravy tanana. Mila maka lesona amin’ny fahadisoana ary manohy hatrany ny ezaka atao hialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny loka.

Lire la suite

Articles Similaires