• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magazine Avantages
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra natoraly hiadiana amin’ny mony

28/09/2023 16:46 © Moov.Mg

Samy mandalo amin’ny fotoana hoe misy mony (boutons d’acnés) avokoa ny ankamaroantsika. Raha mandalo ihany izy ireny ho an’ny olona sasany, amin’ny hafa kosa mety mijanona ela ary tena manimba ny endriky ny hodi-tava tokoa. Ireto ary misy torohevitra natoraly vitsivitsy hiadiana amin’ny mony amin’ny tarehy.

Ireo fomba fikolokoloana ny hodi-tava

Diovina in-droa isan’andro ny hoditra. Tsara raha mampiasa « nettoyant » malefaka vidiana eny amin’ny farmasia. Izany dia manampy amin’ny fanesorana ireo menaka sy loto mety manentsina ny mason-koditra.
Mampiasa « masque facial » natoraly in-1 mandeha isan-kerinandro. Maro ireo karazana akora afaka atao amin’izany, toy ny tantely, ny tanimanga …
Tandremana tsy ho kitikitihana ny hodi-tava mandritra ny tontolo andro. Rehefa kitihina amin’ny tanana ny hoditra dia mety hisy loto na bakteria hifindra eo aminy ka mahatonga ny mony.
Tsy adinoina ny misotro rano betsaka mba hahamandina ny hoditra. Rehefa ampy rano ny hoditra dia tsy mitera-menaka be loatra. Ny hodi-tava mitera-menaka be matetika no mora misy mony.
Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja. Ny voankazo sy ny legioma no atao betsaka tsara, indrindra ireo manankarena « antioxydants ».
Matory tsara amin’ny alina. Tsy atao latsaky ny adiny 8 ny faharetan’ny torimaso isan-kalina mba hisorohana ny mony.

Ireo karazana akora natoraly miady amin’ny mony

Ny tantely noho izy miady amin’ny bakteria mahatonga ny mony. Osorana tantely manify eo amin’ny faritra misy mony ary avela milona 15 minitra vao kobanina.
Ny tanimanga (argile verte) dia mitroka ireo menaka sy loto manentsina ny mason-koditra. Afangaro ny taninmaga iray sotro fihinanana sy ny rano kely mba hahazoana « pâte ». Ity farany no ahosotra amin’ny faritra misy mony. Avela hijanona eo mandritra ny 15 minitra avy kobanina.
Marihana fa tsy voatery mandaitra amin’ny olona rehetra ireo akora natoraly hiadiana amin’ny mony ireo. Raha toa ka efa hita fa be loatra ary sarotra miala ny mony dia mila manantona mpitsabo matihanina mikasika ny aretin-koditra na « dermatologue ».

Lire la suite

Articles Similaires