• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesrecettes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanamboarana « fromage » ao an-trano

27/09/2023 14:32 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo maro mpankafy ny « fromage ». Azo lazaina ho lafo tokoa izy ireny eny amin’ny mpivarotra eny ka tsy afaka mihinana izany matetika ny ankamaroan’ny ankohonana malagasy. Atoro eto ary ny fomba fanamboarana « fromage » ao an-trano mba ahafahan’ny be sy ny maro mankafy izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra fromage

-Ronono velona 1l ;
-« Présure » 2 sotro kely izay vidiana eny amin'ny farmasia ;
-Sira voatoto manify na « sel fin ».

Fomba fikarakarana

-Dingana voalohany : Afanaina ny ronono velona ary ajanona rehefa mafana manodidina ny 30°C. Esorina ambony afo ary atao anaty koveta na « seau » kely. Arotsaka ny « présure » roa sotro kely ary aroharoana atao mifangaro tsara. Fonosina lamba « voile » ary apetraka amin'izay toerana misy hafanana antonony, izany hoe manodidina ny 25 hatramin’ny 30°C. Ajanona ao mandritra ny 4 ora hatramin'ny 5 ora. Azo ajanona mandritra ny alina ihany koa.
-Dingana faharoa : Rehefa vita izany dia tokony ho lasa mivaingambaingana ilay fangaro. Arotsaka ao anaty « passoire » misy lamba « voile » ilay izy mivaingambaingana iny ary rarahana sira kely dia avela hitsika ny ranony (izany hoe tatavanina). Apetraka amin'ny toerana mangatsiaka na vata fampangatsiahana mandritra ny iray andro sy iray alina na hoe 24 ora.
-Dingana fahatelo : Manarak’izany dia potserina ary fiazana tsara ao anatin'ilay lamba voile hialan'ny rano tavela any anatiny any.
-Dingana fahaefatra : Arotsaka ao anatin'ny fitoerana (oh : boaty, singa…) izay itiavana azy dia apetraka amin'ny toerana mangatsiaka. Avadibadika sy rarahana sira kely isan'andro.

Tsara ho marihina

Tsara raha soloina isan’andro ilay lamba voile nampiasaina natao lafika, indrindra rehefa lasa mando loatra ;
Araraka faran'izay kely ny sira sao lasa mangidy sira ilay fromage ;
Ronono velona tsy mitapoka rano no ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires